Sport

Baolina kitra Italiana Nofaranana tanteraka ny taom-pilalaovana 2019 - 2020


  • Alarobia 22 Aprily 2020

Tsy mifanara-kevitra be ihany ireo mpitantana lalao baolina kitra any Italia ny amin'ny tokony hanohizana ny fiadiana ny ho tompon-daka any an-toerana.

 

Fantatra izao fa nanapa-kevitra ny hamaranana tanteraka ny taom-pilalaovana 2019-2020 ny sokajy Serie A ny Ligin'ny baolina kitra Italiana izay nivory tamin'ny alatsinainy 20 aprily lasa teo. Ekena, hoy ny fanambaran'ity rafitra ity fa ny lalàna havoakan'ny FIFA sy UEFA ary ny FIGC "Federasion'ny baolina kitra Italiana" sy ny zava-misy ara-pahasalamana no mamaritra ny famerenana indray ny "championnat" eo amin'ny baolina kitra nefa dia noraisina io fanapahan-kevitra io noho ny fandavan'ireo ekipa maro ny hiverina an-kianja indray. Marihana fa amin'ny 04 mey ho avy izao no hanatanterahana ny "Déconfinement" any Italia.


Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT