Sport

Baolina kitra iraisam-pirenena Hiaka-tsehatra ny Barea amin’ny novambra


  • Alakamisy 20 Aogositra 2020

Fantatra omaly hariva ireo daty ofisialy vaovao hanatanterahana ny fifanintsanana CAN Total sy ny fiadiana ny amboara eran-tany 2022 eo amin’ny taranja baolina kitra.

 

 

Ny 9 ka hatramin’ny 17 novambra 2020 izao indray, raha ny tetiandro nifanarahan’ny Fifa sy ny Caf no hanatanterahana ny andro faha 3 sy  faha 4 amin’ny CAN Total 2022. Ny 22 ka hatramin’ny 30 martsa 2021 ny andro faha 5 sy 6. Ny 31 mey ka hatramin’ny 15 jona 2021 ny andro voalohany sy faharoa eo amin’ny fifanintsanan’ny tompondaka eran-tany 2022. Ny 30 aogositra ka hatramin’ny 7 septambra 2021 ny andro faha 3 sy 4. Ny 4 ka hatramin’ny 12 oktobra 2021 ny andro faha 5 sy 6 ary ny 8 ka hatramin’ny 16 novambra 2021 kosa no hanatanterahana ny dingana sakana eo amin’izay fifanintsanana ho an’ny tompondaka eran-tany izay hatrany. Amin’ny novambra indray izany no fotoana ahitana Barea.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT