Baolina Kitra

Ho mafimafy ny miandry ny Barea


  • Alatsinainy 10 Jona 2024

Rahampitso amin'ny 4 ora no hidona amin'i Mali ny Barea ao amin'ny FNB Stadium atsy Johannesbourg.

lalao izay tafiditra amin'ny andro fahaefatra amin'ny fifanitsanana amin'ny hiatrehana ny Amboara eran-tany 2026.Ity lalao ity no mamaritra ny ho avin'ny Barea raha ho tafita izy na tsia. I Mali mantsy no voalohany amin'ny filaharana anatin'ity Vondrona ity ka raha ny lojika dia izy no mety ho afaka. Nodisoan'ny Ghana anefa izany satria dia resiny 2 noho 1 ireto Mali ireto. Midika izany fa na mafimafy aza dia azo atao ihany no landtesy ireto Voromahery malianina ireto.Tsy arakara-tarehy marina satria raha ny mpilalaony dia tena avo lenta avokoa izy eo ambony kianja. Ny vodilaharana fotsiny dia milalao ao Montpellier izany hoe Ligy 1 ary ahitana an'i Sacko, Boubacar Kouyaté ary Molido Sagna. Mbola ao anaty 11 koa i Amadou Haidara ( RB Leipzig) sy Mohamed Camara (Monaco).Miampy ireo mpilalaon'ny RB Salzburg izay laharana faharoa ao Autriche ka isan'izany i Mamadi Diambou, Daouda Guindo ary Nene Dorgelès sy Sekou Keita. Raha resin'i Ghana izay tsy naharesy Barea raha tsy tany anaty fotoana fanampiny anefa i Mali dia misy irika ihany. Efa ireny najoro ireny aloha tokony mety fa tsy tokony ho tara koa ny fanoloana ireo zokiolona toa an'i Carolus, Amada ary Couturier.Mbola mahazaka dona ihany koa i Titouan Safidy na dia manadala aza fa tokony soloina an'i Millimono.Tsara ny fahatongavan'i Fabien Boyer ary ho sarotra ny safidy satria mbola ao i Thomas Fontaine sy Louis Demoléon.Azo atao koa anefa ny mandahatra avy hatrany an'izy telolahy ireto saingy hikorontana indray ny ao afovoan'ny kianja. Betsaka ny zavatra azo hatao ary tokony araraotina ny fahatongavan'ny Mali tara satria anio maraina ry zareo vao ao Johannesbourg.Misy rahateo ireo tena azo ampiadiana rehefa amin'ny fizaram-potoana faharoa toa an'i Tsiry sy Ando Pro eny fa na i Rojo Be aza raha tahina manala an'i Amada sy Couturier.Miakina amin'izay safidin'i Roro Rakotondrabe ihany anefa izany rehetra izany. I Roro izay nahazo hery taorianan'iny fandresena ny Cœlacanthes iny.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT