Sport

Baolina kitra Hitondra ny Barea U20 i Amada Aboudou


  • Alakamisy 20 Aprily 2023

Fantatra izao fa voatendry hitondra ny Barea latsaky ny 20 taona indray i Aboudou Amada izay tsy iza fa rain' i Ibrahim ilay kapitenin'ny Barea A ihany.

Hifandovana amin'izy mianaka izany ity resaka Barea ity. Tsy msninona izany raha ho vitany satria tsy mora ny manaraka eo fa handray anjara amin'ny COSAFA U20 sy ny Lalaon'ny Frankofonia io ekipa ho entiny io. Ny fanontaniana dia ny hoe raha tsy handray karama mitovy amin'i Nicolas Dupuis ve izy dia mba omena fitaovana entina miasa toy ny fitsirihina ireo taninketsa any ivelana sy ny fiaraha-miasa akaiky amin'ny UFICASM? Raha hiresaka ity farany mantsy dia efa manana ny vonona ry Solo Raharijaona satria mbola maro no tafiditra U20 ireo nalahatra tamin'ny U23. Raha tsy hiteny afatsy Zizou Guy mpilalaon'ny Troyes U 19 izay laharana faharoa eo amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Lafrantsa isika. Amada rahateo tsy hatoro voanjo hadiana fa miankina amin'ny enti-manana ihany io. Efa tao anatin'ireo teknisianina namolavola ireo ekipa voafantina isam-paritra rahateo ity mpilalao tao amin'ny COSFAP taloha ity ka heverina fa manana paikady matotra. Tsy dia azo lazaina toa an' Amada kosa anefa ireo olom-boatendry hitantanana ny Barea Beach Soccer sy ny ekipa voafantina vehivavy. Fantatra omaly mantsy fa izany Boris Andriamahery izany no hitandra ny beach soccer raha Béatrice Theodore kosa no hitarika ny vehivavy. Samy mbola vaovao eo an-tsehatra ireo olona roa ireo nefa iza no mahalala fa eo isika mahita izy hoy ny fiteny amin'izao.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT