Sport

Baolina kitra Hilalao any Algérie i Arnaud


  • Alarobia 27 Janoary 2021

Rehefa niezaka nitady lalana tany Eoropa am-bolana maro mba hidirana amin’ny

 

 

 

sehatra maha matihanina eo amin’ny baolina kitra dia fantatra ankehitriny fa hijanona eto Afrika ihany ilay lohalaharana Malagasy, Arnaud Randrianantenaina na Arnaud Randria, eo amin’izay sehatra maha matihanina eo amin’ity tontolo ity izay. Izy izany no mpilalao Malagasy malaza faha 3 hiditra ao anatin’ny fifaninanam-pirenena Alzerianina ho an’ny sokajy divizionina voalohany taorian-dry Carolus Andria sy Ibrahim Amada. Eo am-pamaranana ny dingana rehetra ahafahana manao famindrana ankehitriny ny klioba Malagasy, Elgeco plus, izay ilalaovany amin’izao, sy ny klioba tokony hifindrany ao Algeria dia ny MC Alger, raha ny fampitam-baovao voaray farany. Raha tsy misy ny sampona dia tokony hanainga eto Madagasikara hihazo an’i Alger atsy ho atsy ity lohalaharana Malagasy vao 20 taona sy 24 andro ity.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT