Sport

Baolina kitra Hifandimby ny Thb CL Malagasy sy Telma CM


  • Alakamisy 05 Jolay 2018

Ireo kianja sentetika CNaPS Sport eny Vontovorona sy any Ampasambazaha Fianarantsoa no finidin’ny FMF hanatanterahana ny dingana faharoa ny “Thb Champions League Malagasy 2018” ny 13-22 jolay 2018.

 

Nozaraina ho vondrona roa ireo ekipa tafita hiatrika izany dia ny Fosa Juniors Boeny, Fca Alaotra Mangoro, Tam Port Berger Sofia, Jet Mada Itasy, Elgeco Plus Analamanga ary Mtm Melaky hifanintsana eny Vontovorona. Ny Ajesaia Bongolava, Cnaps Sport Itasy, Fc Vakinankaratra Vaknà, 3Fb Atsimo Andrefana, Fils d’Elephant Anosy ary ny Akon’Ambatomena Matsiatra Ambony kosa no hifanintsana any Fianarantsoa. Ny eto Antananarivo (lalao 6), Vontovorona Itasy sy Fianarantsoa (lalao 2 avy) ary any Ambatondrazaka, Amparafaravola, Ambositra, Fenoarivo atsinanana, Mahajanga, Port Berger (lalao 1 avy) kosa no hanatanterahana ny 1/16-ndalan’ny « Telma Coupe de Madagascar 2018 » amin’ny Sabotsy 7 sy alahady 8 jolay 2018 ho avy izao. Marihina fa ekipa 10 avy eto Analamanga, 4 Alaotra Mangoro, 3 Matsiatra Ambony, 3 Boeny, 2 Itasy, 1 Amoron’i Mania, 1 Atsimo Andrefana, 1 Atsimo Atsinanana, 1 Analanjirofo, 1 Atsinanana, 1 Sofia, 1 Bongolava, 1 Ihorombe, 1 Diana ary 1 Melaky, no handray anjara amin’ny fifaninanana.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT