Sport

Baolina kitra Hifampitady i coach Rôrô sy coach Fidy


  • Talata 20 Jona 2023

3 volana sisa, raha tsy misy ny sampona, dia tonga amin’ilay tononkira izy ity hoe «Madagasikara handray ny lalaon’ny nosy».

Vitsivitsy maromaro moa ireo taranja izay hifaninanana eo amin’izay lalaon’ny nosy aty amin’ny oseanina indianina izay ary, raha ny fanazavana voaray farany aza, dia mbola mandeha ny fifandresen-dahatra ahafahana mampiditra ireo taranja hafa mbola tokony ho ampidirina hifaninanana anatin’izany. Na inona anefa aloha lazaina na inona lalao dia mbola ny baolina kitra foana hatramin’izao no nantsoina hoe mpanjakan’ny fanatanjahantena. An’arivo taona maro no efa nanekena izany fa tsy hoe akory vao omaly. Eo amin’io sehatra io indrindra dia heverina fa hahaliana ny hoe hifampitady izany amin’ity indray mitoraka ity ny mpanazatra malagasy samy manana ny maha izy azy dia ny Coach Rôrô na Romuald Félix Rakotondrabe, izay manazatra ny ekipam-pirenena malagasy na Barea, andaniny, sy ny mpanazatra ny klioba maorisianina ASPL hatrany amin’ny taona 2000 ary nantsoina hanazatra ny ekipam-pirenena maorisianina na Club M mihitsy ankehitriny dia i Rado Rasoanaivo. Azo lazaina hahaliana indrindra ny fihaonana eo amin’ny Barea sy ny Club M amin’io lalaon’ny nosy io satria iaraha-mahalala ny zava-bitan’izany Coach Rôrô izany tany amin’ny CHAN 2023 ary izy irery aloha hatreto no nahatafita ny ekipam-pirenena hatrany amin’izany hoe dingan’ny manasa-dalana sady nahazo laharana faha 3 izany. Mbola noporofoiny koa ny maha tekinisianina azy nandritry ny lalaon’ny Barea sy Ghana tetsy Mahamasina ny alahady teo fa na dia maro aza ireo mpilalao heverina ho andry tsy afaka nanatevin-daharana ny ekipam-pirenena malagasy dia mbola nahatohitra tsara an-dry Ayew mirahalahy avy ireo fanantenana vaovao vao misondrotra toa an-dry Berajo sy Baggio ka nahatana ny isa ho 0 noho 0 teny amin’ny tabilao. Fidy Rasoanaivo kosa raha mbola azo lazaina ho andro vitsy ihany izay no nanoloany ilay mpanazatra maorisianina teo aloha, Tony François, dia efa nahavita dingana nampitolagaga sahady hatramin’ny filoham-pirenena maorisianina ny fitondrany ny Club M tany amin’ny fandresena ny ekipam-pirenen’i Pakistan tamin’ny isa mazava 3 noho 0. Manantena an’i coach Fidy izany ny maorisianina fa inoana fa misy ho antenaina koa isika amin’i coach Rôrô.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT