Sport

Baolina Kitra Hiaka-dapa ny Pro League


  • Talata 04 Jolay 2023

Ho tontosaina etsy amin'ny Kianja Barea ny alahady izao ny famaranana ny Orange Pro League izay hifandonan'ny Fosa Juniors sy ny AS Fanalamanga.

Eto izany vao tena hiseho ny fitiavan'ny Malagasy ny baolina kitra fa tsy vitan'ny hoe Alefa Barea fotsiny. Ireo lohandohan'ny mpisorona aza tokony handoa iray tapitrisa isan'olona izay tena mbola latsaka raha ampitahaina amin'ny vidim-pidirana any Eoropa. Fotoana izany io alahady io hampisehoan'ny Malagasy rehetra fa tsy eo amin'ny molotra fotsiny izany fitiavana Barea izany. Raha feno amin'io vidim-pidirana io mantsy ny Kianja Barea ka omena izay mandresy ny vola dia inoana marimarina fa misy ho entina miady any Afrika izany. Andrana izany io na tena tia an'ity kitra ity na tsia ny Malagasy Ny somary indro kely anefa dia tsy tafita ny volomboasary ka tsy fantatra hoe ho tonga ny manampahefana rehetra hanotrona Na izany na tsy izany dia hiady ny baolina. Marina fa manatombo ara-taratasy ny Fosa noho ny fananany ireo Barea marimaro toa an'i Dax, Tsiry Jean Yves, Donga ary Avizara fa tsy dia midika inona akory izany. Matoa tonga eto amin'ny famaranana toy izao ny Fanalamanga dia tsy hamaivanina indrindra fa nanilika ny tompom-baolina dia ny Elgeco Plus. Nofaizin'i Tsalo sy ny namany ary tena nandraingiraingy. Ary raha mahavita mamaly toa iny i Moramanga dia tena ho sahirana ny Fosa. Ny tsy azo lavina aloha dia tsy nanjakazaka toy ny fanaony hatramin'izay ny baolina kitra Analamanga. Efa lasa handenan'ny rehetra. Mahagaga a !
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT