Sport

Baolina kitra Harenina ny tambin-karaman’ny Barea…


  • Alakamisy 25 Aprily 2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Voalohany amin’io nankatoavana ny handraisana ny Africa Cup Fiba basket-ball 3x3 eto Antananarivo, ny 29 novambra hatramin'ny 1 desambra 2024 ao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina. Nankatoavina ihany koa ny fanekena ara-bola ho fanarenana ireo tambin-karaman'ny BAREA A. Nisy disadisa io resaka tambin-karama io ary olana foana ho an’ny ekipam-pirenena, ka niditra an-tsehatra indray izany ny Fanjakana saingy mbola baraingo hoe: manomboka rahoviana sy haharitra hafiriana ary hitondra ohatrinona ? Sa toromarika no atao fa ny federasionina no manao izay hahatanterahany? Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny fanomezan-dalana manokana hanitsiana ny famindram-bola mifanaraka amin'ny fandraisan'anjaran'i Madagasikara amin'ireo fifaninana sy lalao iraisam-pirenena sy ny fandraisana an- tanana ireo hetsika laharam-pahamehana ho an'ny tanora. Anisan'izany ny Tsenaben'ny Tanora, fanofanana ireo mpanentana sy mpampiofana ao amin'ireo "ecoles sportives" mba hahafahana mampiasa ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena manara- penitra sy ho fanomanana ireo taniketsan'ny fanatanjahantena ao Betafo, Morondava, Mahajanga I sy Toamasina I. Eo ihany koa ny fanamafisana ny traikefan'ireo tanora tantsaha mpitarika 850 eo amin'ny lafiny fandraharahana sy ara teknika. Izany no atao mba hanehoana fa tena vonona hatrany hanampy ny atleta sy ny tanora ny fitondram- panjakana ka tokony arahina maso tsara ireny tetikasa sy fanampiana isan-tsokajiny ireny mba tena hipaka tokoa any amin'izy ireo, hoy io tatitry ny filankevitry ny Minisitra.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT