Baolina kitra

Hangotra ny Euro 2024 manomboka anio


  • Zoma 14 Jona 2024

Fararanon’ny baolina kitra ity volana jona ity sy ny jolay, raha fandaharam-potoanan’ireo

fifaninana goavana kaontinantaly sy iraisam-pirenena. Raha amin’ny heriny anio no hanomboka ny Copa Amerika, dia hanomboka anio ny « Euro 2024 » any Allemagne ho an’ny tontolon’ny baolina kitra Eoropeanina, lalao isan’ny andrasan’ny mpanaraka maneran-tany noho ny lenta sy haavo teknikany satria any Eoropa aloha no misy ny fifaninana matanjaka maneran-tany na eo amin’ny lafiny klioba na ny ekipam-pirenena, ary saika ho tazana handrafitra ny ekipam-pireneny avokoa ireo kalaza maro any Eoropa. Firenena miisa 24 no mandray anjara, mitsinjara Vondrona 4 ka toy izao izany : Vondrona A : Allemagne, Ecosse, Hongrie, Suisse. Vondrona B : Espagne, Croitie, Italy, Albanie. Vondrona C : Slovenie, Danemark, Serbie, Angleterre. Vondrona D : Pologne, Pays Bas, Autriche. Vondrona E : Belgique, Slovaquie, Romanie, Ukraine. Vondrona F : Turquie, Georgie, Portugal, Republique Tchèque. Ny Vondrona B no heverina fa «groupe de la mort » satria ao anatin’io i Italie tompondaka farany tamin’ny 2020, Espagne ary Croitie izay tena ao anatin’ny heriny. Ity no heverina fa fandraisan’anjara farany amin’ny Euro ho an’i Cristiano Ronaldo, fandraisan’anjara faninenina ho azy ka ny 2004 izy ireo dia nanao famaranana, ary ny 2016 kosa no tompondaka ny ekipam-pireneny dia i Portugal. Euro farany ho an’i Toni Kroos mpilalaon’ny Real Madrid ihany koa. Allemagne, France, Angleterre, Espagne hatreto no anisan’ny sokajian’ny mpanaraka baolina kitra ho « favoris » ho an’ny Euro 2024. Na izany aza, tsy misy azo hamaivanina ireo mpandray anjara, ary betsaka ny mety tsy hampoizina, hangotraka ny Euro 2024. Hanokatra ny lalao anio amin’ny 10 ora alina i Allemagne sy Ecosse.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT