Sport

Baolina kitra Hanangana Akademia eto ny Paris Saint-Gérmain…


  • Alakamisy 07 Aprily 2022

Ao anatin’ny vina hoenti-mampiroborobo ny kitra Malagasy, hitsangana eto Madagasikara tsy ho ela ny ivon-toeram-panofanana, tanineketsa hanomanana sy hamolavolana ireo tanora ho matihanina amin'ny baolina kitra dia PSG Académie

 

, izay eo ambany fiahian'ny Klioba Frantsay matanjaka PSG (Paris Saint-Germain), raha tsy misy ny sampona. Norasin-dRtoa Nadia Benmokhtar tompon'andraikitry ny PSG Académie tany Boulogne Billancourt ny 30 martsa mantsy ny mpanazatran’ny Barea Eric Rabesandratana, raha ny vaovao ofisialy avy amin’ity mpanazatra ity. Nandritra io no namosahany ny resaka mba hananganana ny PSG Académie iray na maromaro eto Madagasikara. Karazana velirano sy finiavana hitondra anjara biriky ho an'ny kitra Malagasy amin'ny maha olom-pirenena ny an-dRabesandratana araka ny nambarany, ka nandrosoany teo anivon'ny PSG io soso-kevitra hananganana PSG Académie eto Madagasikara, ary heverina fa nanamora ny làlana ny efa naha kapitenin’ny PSG azy. Tsy vaovao aminy rahateo io satria efa nanangana ny PSG Academy tany Miami Etazonia ny tenany. Tanjona ny hanome herijika ny talentan’ireo taninketsa Malagasy hisandratra. Hifototra amin'ny famolavolana, fanofanana, fanazarana, hampivoarana ny talenta,... ahafahan'ireo mpilalao Malagasy tanora manomantena amin'ny sehatra matihanina hahafeno ny fepetra takian'ny amin'ny baolina kitra avo lenta,... Hisokatra ho an’ny rehetra eny fa di aireo tanora avy amin’ny akademia hafa efa misy aza. Rehefa dinihina tsy misy ny olana amin'ny lafiny teknika, ary voalaza fa ho avy tsy ho ela eto Madagasikara i Éric Rabesandratana sy ireo ekipa teknikan'ny PSG hijery sy handamina ireo pitsopitsony hoenti-manatanteraka ny tetikasa goavana ho fanandratana ny kitra Malagasy io. Ny any amin’ny ekipa Afrikanina sasany, dia maro ny PSG Académie nakaton’ny PSG noho ny fitsabatsahana ara-politika ataon’ny manam-pahefana ao amin’ilay firenena, ka irariana mba tsy ho tratran’ny tahaka iza ny eto Madagasikara, izay nahazo herijia vaovao. Hisy ny fangatahana fihaonana amin’ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena hanamorana ny fanatanterahana ity tetikasa ity, raha ny vaovao ofisialy voaray. Andrasana ny tohiny!
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT