Sport

Baolina kitra Hahazo kianja amin’izay ny CFFA


  • Zoma 17 Martsa 2023

Izay vao raikitra. Roa taona taorian'ny tsy nahafahan'ny CFFA nandeha tany Luanda hiatrika ny lalao miverina

hihaonana amin'ny Petro Atlético no efa nampanantena kianja ho an.ity klioba Ity ny filoha Andry Rajoelina saingy izao vao raikitra Nanazava na niala tsiny moa ny Filoha omaly fa nananosarotra ny fitadiavana ny tany satria tany mbola mila totofana no hitan'i Tota, ben'ny tanànan’Andoharanofotsy sady filoha ny CFFA sady mbola filoha ny Ligy Analamanga sy ny Pro League ohany. Hany herin'ny Filoha Andry Rajoelina dia ny nanome ampahana, betsaka satria raha ny resaka dia kianja lehibe, ny tao anaty tokotan'Iavoloha. Safidy moa izay ka tsy dia hidirana lalina satria heverina fa ho lasa fananam-panjakana ilay toerana . Na izany na tsy izany ety ampiandohana dia tsara hapetraka fa raha tena manarapenitra marina ilay izy ka hisy toerana marobe dia tokony mba hatao bozaka amin'izay toy ireo kianja makaza erantany toa ny Maracana any Rio, Allianz Arena any Munich, Bernabeu any Madrid, Camp Nou any Batcelone. Santionany vitsivitsy ihany ireo fa ny hisarihana ny saina dia nahita ireo Barea CHAN voatery nizatra nilalao ambony bozaka satria tsy mba nahazo teo Mahamasina nefa ny Pro League dia nsnpiasa ireo bozaka tsy voajanahary. Tsy ho sarotra rahateo ny mikohakoha ny bozaka satria fantatra fa ampy rano eny Iavoloha ary inoana marina fa tsy hanao tandrevaka amin'izany ny Jirama raha mbola tia ny asany. Manginy fotsiny ny fahatsaran'ny toetr’andro sy ny toe-tany eto amintsika.. Misy orana tsy dia mafana sady tsy misy ranomandry ka tena mety fa mila finiavana hanao zavatra tsara Ilay tena tsara fa tsy ilay marapenitra toy ny mahazatra. Aza adika vilana anefa ka hoe tsy ilaina ireo kianja sintetika fa ny marina dia ilaina ireny raha entina hampiasaina noho izy azo ampiasaina 24/24. Fa rehefa avo lenta ny resaka dia bozaka tsotra no fampiasa.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT