Baolina Kitra Grand Tournoi

Analamanga Resy ny tompom-baolina


  • Talata 19 Desambra 2023

Notontosaina ny fiaran'ny herinandro teo ny ampahaefa-dalana teo ilay Grand Tournoi Analamanga

nokarakarain'ny Ligy Analamanga. Vaovao ratsy anefa no niseho satria manahy ny maro sao dia tapitra hatreo ity fifaninana ity satria resy ny CFFA izay tompom-baolina. Resy taorianan'ny fanalavam-potoana 1 noho 0 mantsy ity ekipan'i Tôta ity raha nihaona tamin'ny Elgeco Plus izay an'ny filohan'ny FMF, Alfred Randriamanampisoa. Tena niady ny lalao sady ireo mpitsara tsy sahy nanao vinany teo anatrehan'ireto olombe roalahy ireto. Na izany na tsy izany dia tsy azo lazaina miverina sahady eo amin'ny heriny aloha ny Elgeco Plus fa mba nanarinary baolina ihany. Ny ekipa tena nisongadina tamin'ity dia ny Disciples izay nanamontsana ny COSFA 3 noho 0 ka baolina roa no matin'i Mando izay voahosotra ho mpilalao mendrika tamin'iny fihaonana iny. Koa satria tsy voatery ho azo daholo babay sy loha-vohitra dia niondrika tamin'ny isa mavesatra 5 noho 0 ny Disciples Espoir izay tena mbola eo an-dalam-panamboarana taorinan'ny fitiliana faobe natao. Mety anefa ny tetika hatreto satria ohatr'izao mihintsy no fanao any amin'ny klioba vaventy any Eoropa satria avy amin'io Espoir io no miakatra na midina ny mpilalao ao aminy. Izay ilay atao hoe matihanina. Izany tsy misy very fa izay (vorona) maty hanina.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT