Baolina kitra Grand Tournoi Analamanga

Nivadika ho fampisehoana ho an'ny Disciples


  • Alatsinainy 08 Janoary 2024


Tratra ny tanjona ho an'ny Disciples FC raha nataony hitarafana ireo mpilalao hanao Pro League no antony nandraisany anjara tamin'ity Grand Tournoi Analamanga ity. Raha nihevitra mantsy ny rehetra fa tena handresy ny Ajesaia izay mbola nampian'i Tsiry Fosa noho ny antony tsy mazava dia ny nifanohitra an'izay no niseho tetsy amin'ny kianja Elgeco omaly. Lasa fampisehoana no niafaran'ny lalao satria dia nandresy mazava 5 noho 2 ny Disciples. Ny Ajesaia anefa no nanokatra ny isa raha vao nanomboka 2 minitra ny lalao tamin'ny alalan'i Nasa. Tsy niandry ela anefa dia nosalain'i Tsila izany (9). Ary dia mbola nampian'i Dahery (19) izany taminlny alalan'ny tifitra nandrivorivo tary amin'ny ankasarotana.Ny baolina fahatelo matin'ny Disciples dia mbola taratry ny fahaizan'ity klioba ity mijery mpilalao vaovao satria dia i Nantenaina izay antsoin'ny mpijery any Antsirabe hoe Messi no nampitombo ny isa. I Mando kosa no nahafaty ny baolina fahaefatra tamin'ny alalan'ny penalty vokatry ny hadisoana nataon'i Sitraka tamin'i Dahery. Nitroatra ry zareo avy eny Antanikatsaka ary tamin'izany no nahafatesan'i Tsiry ny baolina faharoa (73) saingy roa minitra taorinan'io dia matin'i Dahery indray ny baolina.
HIATRIKA NY FAMARANANA
Tafakatra hiady ny famaranana izany ny Disciples ary hihaona amin'ny US Pro azo lazaina nanao fahagagana ihany raha nanilika ny Elgeco Plus tao an-tokontaniny tamin'ny isa 4 noho 3. Nandritry ny fanalavam-potoana no namonoan'i Tigana ny baolina fahaefatra (113). Ratsy ho an'ny Elgeco Plus iny faharesena iny saingy mety hanery azy hitady mpilalao tanora. Omaly mantsy dia mbola tompon-toerana ry Dino, Zola,Tsila ary Benteke hany ka voan'ireo US Pro tamin'ny vovokaina. Ho sahirana noho izany ity ekipan'ny filoha Alfred Randriamanampisoa ity raha hiatrika ny Pro League izany tena mbola maizina no misy azy. Raha tsy hoe angaha hanamboatra Vondrona atsimo maivamaivana sy tany malemy hanorenam-pangady. Asa...
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT