Sport

Baolina kitra - FMF Nahemotra indray ny fifidianana


  • Alarobia 03 Oktobra 2018

Tsy maintsy hahemotra fa tsy hotontosaina amin’ny 27 oktobra ho avy izao araka ny voalaza tany aloha ny fifidianana an’ireo mpitantana vaovao ny baolina kitra Malagasy (ny filohany sy ny mpanatanteraka), hoy ny filohan’ny CNE Baolina kitra, Raherimanana Lala, notronin’ny filoha lefiny, Rakotovao Njaka, nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety teny Isoraka omaly talata 2 oktobra 2018.

 

 

 

Ny antony, hoy izy ireo, dia noho ny olana misy eo amin’ireo ligy 3 tsy nahavita fifidianana mpitantana azy (V7V, Matsiatra Ambony ary Bongolava). Tsy nankatoavin’ny CNE baolina kitra ny fifidianana filohan’ny ligin’i V7V sy Matsiatra Ambony natao tamin’ny 6 sy 7 septambra teo fa tsy nahatratra fetr’isa ny mpifidy tonga. Ary haverina noho ny toromariky ny Fifa kosa ny fifidianana filohan’ny ligin’i Bongolava. Izany no natao dia mba hanomezan-danja an’ireo ligy ireo. Ezahina hotontosaina amin’ny herinandro ho avy io ny mikasika an’ireo fifidianana rezionaly ireo. Ezahana  hotanterahina ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana kosa ny fifidianana mpitantana foiben’ny FMF ka hamoaka datin’androm-pifidianana vaovao indray izahay. Tsy miova fa 1 volana alohan’ny datim-pifidianana no fara fisoratana anarana ho an’izay te-hirotsaka ho filohan’ny FMF ary 21 andro mialoha ny datim-pifidianana ho an’ny hirotsaka ho mpikambana ho komitim-pitantanana ny FMF.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT