Sport

Baolina kitra - FMF Mitaky fifidianana tena demokratika ny FIFA


  • Zoma 13 Aprily 2018

Nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny FIFA izay miantso ny federasion’ny baolina kitra Malagasy (FMF) hiantso fivoriambe tsy ara-potoana mba hanamafisana indray mandeha indray ireo mpikambana eo anivon’ny vaomieran’ny fifidianana (commission electorale) sy ny vaomieran’ny fitarainana sy fitoriana momba ny voka-pifidianana (commission de recours pour les éléctions).

 

Tsy mbola feno ny fepetra hanatanterahana ny fifidianana ireo komity mpanatanteraka eo anivon’ny FMF, hoy ny FIFA fa mila alamina sy vitaina hatramin’ny farany aloha ireo fifidianana any amin’ny ligin’i Vatovavy Fitovinany, Matsiatra ambony ary Bongolava. Nokianin’ny FIFA ny filohan’ny vaomieran’ny fifidianana izay sady mitantana ny fifidianana, hoy ny fanambarana no manao mpisolovava ny FMF ihany koa. Mbola ao anatin’ny fanamarihana amin’ity fanambarana ofisialin’ny FIFA ity ihany koa ny hoe tsy voarakitra mazava ao anatin’ny fitanana an-tsoratry ny fivoriambe ny 17 oktobra 2017 ireo mpikambana mandrafitra ny vaomieran’ny fifidianana sy ny fankatoavana azy ireo. Vita ireo fanitsiana sy fandaminana rehetra ireo vao azo tanterahana amin’izay ny fifidianana ny filohan’ny federasion’ny baolina kitra sy ireo mpikambana hafa mandrafitra ny komity mpanatanteraka ka ny vaomieran’ny fifidianana vaovao ary tsy maha be resaka sy ahiahy no hanatanteraka sy hanara-maso izany. Mazava ho azy fa tsy maintsy manaraka ny sata sy ny lalàm-pifidianan’ny FMF izany rehetra izany; ary mahazo milatsaka hofidiana avokoa izay kandida mahafeno ny fepetra. Manome fe-potoana hatramin’ny 3 jona ny FMF hanaovana ireo asa rehetra ireo ny FIFA. Ny 13 ka hatramin’ny 16 martsa lasa teo moa no tonga teto Madagasikara nanao fanadihadiana ny iraky ny CAF sy ny FIFA ary niresaka tamin’ireo ankolafy rehetra teo anivon’ny tontolon’ny baolina kitra Malagasy. Anisan’ireo nisaotra ny fihetsiky ny CAF sy ny FIFA tamin’ny fihainoana ny fitarainana maro samihafa moa Atoa Jacques Ramaroson, filohan’ny fikambanan’ireo ligy ho an’ny faritra Analanjirofo satria tena fanavotana ny baolina kitra Malagasy izao famoahana tondrozotra hiatrehana fifidianana lavitry ny afera manjavozavo izao, hoy izy.

RTT


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT