Sport

Baolina Kitra- FMF Miisa 47 ireo milatsaka ho fidiana


  • Alatsinainy 11 Septambra 2023

Tena fitaiavana ny baolina kitra sa fitiavana mba te hisehoseho mba tsy hitenenana hoe misy vola be ao amin'ny Federasionan'ny Baolina kitra (FMF) ity ?

Tena mahagaga mantsy fa raha 12 ireo mandrafitra ny mpikambana ao amin'ny komity mpanantanteraky ny FMF dia mahatratra 46 ireo milatsaka ho fiadiana. Tsy tao anatin'ireo kosa izay fantatra fa hilatsaka ho fidiana ho filohan'ny federasiona ary isan'izany ny filoha teo aloha Victorien Andrianony sy ny filoha lefitra Alfred Randriamanampisoa. Toy izany koa i Neypatraiky Rakotomamonjy sy Stan Rakotomalala. Heverina fa izay no antony tsy nirotsahany ho mpikambana tsotra ary izay koa no anton'ny fitetezam-paritra nataon'ny sasany tamin'ireo nandritry ny fifidianana izay hitantana ny ligy.
SANTIONANY AMIN'IREO KANDIDA
Ireny tokoa mantsy no mifidy ka samy niezaka ny ho namany indrindra koa fa niova ny fitsiokan'ny rivotra ka mety tsy ho lany intsony ireo mpikambana teo aloha izay mbola nirotsaka daholo.Ankoatra ireo mpikambana taloha ireo dia nanaitra ny nahita ny anaran'i Pisal Hamida ilay Talen'ny Telma. Fa angaha moa mahazo miditra anaty rafitra federaly indray ny vazaha sa ve efa nanary ny "nationalité" maha vazaha azy? Ny firotsahan'ny Tale Jeneralin'ny Tahirim-bola Herivelo Andriamanga indray dia tsy mahagaga fa efa ao anaty ra mihitsy ny fitiavany ny baolina kitra fony izy namorona ny JET Mada izay lasa JET Kintana taty aoriana. Izay fitiavana izay koa no inoana fa nanosika an'i Jocelyn Razafimamonjy izay tompon'ny orinasa Nino ary efa nitondra klioba ihany koa. Izy no tsara indrindra ny vokatra azony tamin'ny fifidianana farany saingy ny politika no tsy nahalasa azy ho filoha lefitra na dia izay aza no tokony ho izy. Hita ao anaty lisitra ao koa ny anaran'i José Andriatianarivelo, ilay mpitsara iraisam-pirenena no sady mpiasan'ny fitsarana ambony.
MISY MPITSARA TALOHA
Mbola ao koa ny mpitsara taloha sady efa Jeneraly be dia i Dimasy Paul. Vivien Anivany ilay mpanofana ireo mpitsara dia ao ihany koa toa an'i Patricia Rajeriarison ilay nandrombaka ny Questions pour un champion. Misy indray filohan'ny ligy teo aloha tao an'i Nordine tany Boeny. Mbola maromaro ireo mpilatsaka nefa raha ireo voatonona teo dia ho sarotra ho an'ny hafa ihany indrindra ireo mpikambana teo aloha izay tsy nahitam-bokatra. Asa aloha fa mety misy ihany fahagagana.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT