Sport

Baolina kitra - FMF Manomboka misy olana indray ny serasera


  • Alarobia 02 Oktobra 2019

Efa nisokatra tamin’ny ankamaroan’ny mpanao gazety malagasy ny seraseran’ny baolina kitra tamin’ny fotoana nitondran’ny « Comité de normalisation FMF » notarihan-dRtoa Atallah Beatrice.

 

 

 Niverina amin’ny fombany taloha indray amin’ny fanagiazana vaovao ho an’antokona mpanao gazety vitsivitsy izany rehefa niverina nahazo filoha vaovao ny FMF. Tsy dia azo inoana fa nahazo baiko  avy amin’io filoha vaovao io no antony. Fantatra tsara mantsy ny fitiavan’Atoa Arizaka Rabekoto Raoul mifanerasera amin’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena malagasy ary azo ambara fa tena namana akaiky azy avokoa aza ireo mpanao gazety ireo. Ny mety mitombina dia efa mpifandray tendro tao amin’ny FMF nifandimby hatry ny ela no voafidy ho tompon’andraikitry ny serasera vaovaon’ity FMF 2019 ity ka angamba efa manana izay ankolafina mpanao gazety zatra miaraka aminy ka tsy te hanova fomba fiasa miaraka amin’ny mpanao gazety na koa hanohy ny fifandraisana tsara tamin’ny fitantanan’ny CN nodimbiasany ka izao lasa misy fanavakavahana izao indray ny fizarana vaovao mikasika ny baolina kitra malagasy ka tsy mahagaga raha ny fampahalalam-baovao any ivelany indray no mahalala sy mampita izay tokony ho fantatra eto an-toerana ankehitriny. Dia ho sanatria tsy tafita tamin’ny famindram-pahefana natao teny Isoraka ve ireo « arriérés » tsy mbola voaefan’ny CN izay neken-dRtoa Atallah Beatrice ampahibemaso fa tena misy tokoa ?

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT