Sport

Baolina kitra - FMF Filohana ligy 12 mangataka fivoriam-be tsy ara-potoana


  • Talata 17 Aprily 2018

Nandefa taratasy any amin’ny filohan’ny CAF Ahmad mba hahafahan’ity farany mampiantso fivoriambe tsy ara-potoan’ny federasiona Malagasin’ny baolina kitra ny filohana ligy miisa 12.Anton’izany fivoriana izany,

 

 arak’ilay fanambarana sy taratasy ofisialy navoakan’ny FIFA ny 11 aprily lasa teo ny fametrahana vaomieram-pifidianana vaovao, hanohy ny fanatanterahana ny fifidianana filohan’ny ligy ho an’ny faritra Bongolava, Matsiatra ambony ary Vatovavy Fitovinany, izay samy tsy vita noho ny fisian’ny savorovoro moa satria nisy zavatra nampiahiahy ny fizotry ny fifidianana.Mahafeno ny fetr’isa hampiantso fivoriana araka andininy faha 31 ao amin’ny sata mifehy ny FMF izahay hoy ireo filoha Ligy ireto.Manasonia ny fanambarana ny filohan’ny ligim-paritry ny baolina kitra Sofia, Anallanjirofo, Melaky,Betsiboka, Anosy,Androy, Atsimo andrefana, Diana, Amoron’I Mania,Atsimo atsinanana, Menabe ary Vakinakaratra.Omaly 16 aprily no voapetraka ara-dalana ary efa fantatry ny mpitantana vonjimaikan’ny federasiona Malagasin’ny baolina kitra ity taratasy fangatahana fivoriana tsy ara-potoana ity; tsara ho marihana fa manome hatramin’ny 3 jona izao mba handaminana ny olana rehetra ny FIFA.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT