Baolina kitra- Fifidianana

Tokony hampitoboina ireo mpifidy, hoy Benony Jacques


  • Zoma 22 Septambra 2023

Taorian'ny nanehoany hevitra sy nilazany ny tsy mety raha ny mikasika ny fifidianana izay ho filohan'ny federasiona

malagasy ny baolina kitra, dia nitondra no heviny ho fanatsarana koa i Benony Jacques izay filoha teo aloha. Betsaka ireo mimenomenona, hoy izy, ary tsy ahitana izay olona tsara hitantana ny baolina kitra malagasy raha ny lalanan'ny fifidianana amin'izao izay mijanona amin'ireo filohan'ny ligy 22 izao fotsiny. Ahoana moa no tsy hieritreretana hoe tsy handeha amin'ny laoniny io raha misy kandida efa misora-tena manana ligy 16? Noho izany hoy ihany i Benony Jacques dia tokony hampitoboina ary sokafana amin'ny rehetra ny lisitry ny mpifidy izay mivoaka amin'ireo fantatra fa tena tia ny taranja na manao izany ho asa mihintsy aza. Amiko hoy izy dia tokony manana zo hofidy ny kapitenin'ny ekipa iray ary ireo mpanao gazety izay tena manoratra na mitantara ny baolina kitra.Tsy sarotra izany raha atao bileta tokana ka alefa isaky ny seksiona misy.Amin'izay mantsy dia mba ny rehetra no nisafidy ka tsy hisy intsony fimenomenona avy eo.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT