Baolina kitra- Fifidianana

Rahampitso sabotsy ny fotoana


  • Zoma 13 Oktobra 2023

Hotontosaina eny amin'ny Novotel etsy Ivandry rahampitso sabotsy ny fifidianana ireo mpikambana vaovao

hitantana ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra. Ankoatra ny filoha dia misy ireo 10 mpikambana ao amin'ny komity mpanatanteraka no hofian'ireo filohan'ny ligy 22. Tena fifidianana madio tsy misy resa-bola io hoy Andry Marcel, filohan'ny ligy Atsinanana izay mbola lany dia naverina aza ny fifidianana. Ary raha izay no izy dia mety tsara toerana i Neypatraiky Rakotomamonjy sy Stan Rakotomalala noho ny traikefa eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ananany. I Stan aza moa dia nanoritsorika ny paikady hanavotana ny baolina kitra na lahy na vavy amin'ny fananganana toe-piofanana isaky ny renivohim-paritany ary ny fikarakarana ny taniketsa amin'ny alalan'ny fanaovana fifaninana. Tena tsara aloha ity zavatra aroson'i Stan Rakotomalala ity izay mitana ny toeran'ny sektretera jeneraly ny Pro League. Izany hoe olona afaka mitondra vaha olana amin'ny baolina kitra malagasy. Notsipihiny koa anefa ny fiaraha-miasa amin'ny fanjakana toy ny amin'ny tany mandroso rehetra.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT