Sport

Baolina kitra-Fifidianana mampiahiahy Miantso ny FIFA ireo filohan’ny Ligy


  • Talata 05 Desambra 2017

Nanao fanambarana iombonana manameloka ny politika maloto manodidina ny zotram-pifidianana ao amin’ny fanavaozana ny rafi-pitantanan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) omaly ireo filohan’ny ligy maro manerana ny nosy.

 

 Nihaona tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Anjary Hotel Tsaralalana izy ireo ary nanazava ny zavatra hafahafa nitranga. Maro loatra ny tsy fandikan-dalàna sy ny hosoka, hoy izy ireo, nisy ny fifidianana tsy hita maso, ny fanilihana tsy ara-drariny kandida, ny fanafoanana voka-pifidianana noho ny antony tsy mitombina. Teo ihany koa ny fanitsahana andraikitry ny « Commission de recours »  nataon’ny « Commission électorale ». Nisy akony ratsy tamin’ny fifidianana izany tranga rehetra izany ary niteraka savorovoro mihitsy tany amin’ny ligin’i Matsiatra Ambony dia i Fianarantsoa sy Ikalamavony. Miantso ny federasionina iraisam-pirenena momba ny baolina kitra na FIFA handamina ity olana ity ireto filohan’ny ligy manerana ny nosy ireto. Mitaky ny hampiharana an-tsakany sy an-davany ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny fandinihana araka ny tokony ho izy sy araka ny fe-potoana ara-dalàna ireo taratasy fitarainana nalefan’ireo kandida voailika koa izy ireo. Miantona avokoa aloha ny fifidianana rehetra mandra-pivoaky ny fanapahan-kevitra noho izany, indrindra ny fifidianana filohana Ligy kasain’ny federasionina hotanterahana ny 15 desambra ho avy izao. Tsy maintsy atao mazava tsara ihany koa ny fizarana andraikitra eo amin’ny « Commission Electorale nationale » sy  ireo delegem-paritry ny « Commission Electorale nationale », ireto farany izay miandraikitra ny fifidianana any amin’ny seksiona sy ny ligy ary tsy tokony hijabahan’itsy voalohany. Fantatra araka ny angom-baovao natao fa filohana Ligy 17 amin’ireo 22 misy no mivondrona amin’izao fanaovana fanambarana sy fisintonana lakolosy izao, noho ny fahatsapan’izy ireo fa misy ny paikady maloto kasain’ny vondron’olona atao any ambadimbadika any mety hanakorontana tanteraka ny tontolon’ny baolina kitra eto Madagasikara.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT