Sport

Baolina kitra-fifidianana filohana Ligy Misy resaka tsy milamina


  • Talata 28 Novambra 2017

Manomboka mafampana ny tontolon’ny baolina kitra amin’izao fotoana, noho ny resaka fifidianana.

Misy ireo velon’ahiahy ny amin’ny zava-mitranga satria tsikaritra ny tsy fanajana ny fitsipika sy ny lalàna amin’ny tranga sasany. Misy fifidianana teny anivon’ny seksiona no nofoanan’ny vaomiera nasionaly misahana ny fifidianana (CEN) na dia efa nisy aza ny kandida lany. Tranga izay somary nahagaga ihany satria efa misy ny vaomiera isam-paritra, kanefa tonga dia niditra an-tsehatra ny vaomiera nasionaly. Ny tsy fahalanian’ny kandida sasany angamba no nampiova tahaka izao ny fomba fiasa, hoy ny filohana ligy iray. Tafiditra ao anatin’ireo fifidianana nofoanana ary voalaza fa haverina ny any Tsiroanomandidy (Bongolava), kanefa Atoa Gaetan dia lany mazava tamin’ny isam-bato 16 no ho 4. Haverina koa ny  any  Beroroha sy Ankazoabo (Atsimo-Andrefana) ary ny any Antanifotsy (Vakinankaratra), araka ny fanapahan-kevitry ny CEN hatrany. Etsy an-kilan’izay anefa ny zavatra tena mahatalanjona dia efa manana filohan’ny seksionina ny ao Ikalamavony dia i Zafimahaleo Razanajatovo sy ny ao Nosy Varika dia i Germain Randrianasolo na dia tsy nisy fifidianana mazava aza, hoy ny loharanom-baovao iray. Tsy nisy mihitsy ny peta-drindrina milaza ny hanatanterahana ny fifidianana tany amin’ireo toerana roa ireo. Mbola misy ihany koa ny zavatra hafahafa nitranga tany Vohibato, Sakaraha ary Ambohimahasoa. Hisy ny fivoriana tsy ara-potoana eto Antananarivo iarahan’ireo filohan’ny ligy 16 hotanterahana ny alatsinainy 4 desambra ho avy izao mba handinihana izany tranga rehetra izany sy hanapahan-kevitra ny amin’ny tokony hatao, indrindra momba ny tena andraikitry ny Commission Electorale Nationale (CEN). Ity vaomiera ity izay re, araka ny feo mandeha, fa toa hoe mitady ny fomba rehetra hanilihana ny kandida filohana ligy isany Giscard Andriano (Vatovavy Fitovinany), Mamany Gan (Matsiatra Ambony) ary Brino (Amoron’i Mania).


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT