Efa fantatra avokoa ankehitriny ireo tompondakam-paritry ny baolina kitra any amin’ny ligin’i Vakinankaratra “Livak” ka anisan’ireo tompondaka 2019/2020
ny To Sport (U 13), ny Fav (U 15), ny Oma (U 17), ny Fav (U 20) ary ny Fcv (D-1). Tamin’ny sabotsy15 febroary 2020 lasa teo, tao amin’ny efitrano malalaky ny Faritr’i Vakinankaratra tao Antsirabe no nanatanterahana ny lanonana fanolorana ny amboaran’ireo tompondaka ireo izay natrehan’ny filoha lefitry ny FMF, Andriamanampisoa Alfred.
Fantatra, araka ny fanazavana nomen’Andriantoponera Fidinirina filohan’ity ligy Livak ity, fa noho ny zava-bitan’ny ekipan’ny Fcv/Inate sy ny Uscafoot dia natao anankiroa ireo solontenan’Analamanga sy Vakinankaratra hiatrika ny fifaninanana nasionalin’ny D-1 ho avy “Thb Champion’s League 2020”. Ho an’ny ligin’i Vakinankaratra manokana dia ny Fcv/Inate tompondaka sy ny Disciples Fc tompondaka lefitra no hiatrika izany.
Ho an’ny fifaninanana “Telma Coupe de Madagascar” kosa dia ny Disciples Fc sy ny Ariary Fc no hisolotena an’ity ligy ity.
Raha tsiahivina ny filaharana farany azon’ireo ekipa nandray anjara tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Vakinankaratra sokajy D-1 dia manome :
1-FCV/INATE : 30 pts
2-Disciples FC : 24 pts
3-Zoara FC : 13 pts
4- Ariary FC : 13 pts
5-AS Soleil levant : 7 pts
6-FCA : 1pt
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.