Sport

Baolina Kitra - Fiadiana ny amboaran’i Afrika Raraka ny CNaPS Sport, tafita ny Elgeco Plus


  • Alakamisy 06 Desambra 2018

Nifarana hatreo indray ny dian’ny CNaPS Sport Madagasikara amin’ny fandraisana anjara amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika eo

 

 

 

amin’ny ekipa tompondaka andiany faha-23 fa resin’ny ekipan’ny Fc Platinum avy Zimbabwe 1-0 ity ekipa tompondaka Malagasy ity omaly alarobia 05 desambra 2018 teo amin’ny lalao miverin’ny fifanintsanana savaranon’ando amin’ity fifaninanana ity. Baolina matin’i  Rodwel Chinyengetere teo amin’ny minitra faha-60 no niantoka ny fandresen-dry zareo Zimbaboeana. Tsy tafita any amin’ny dingana voalohany akory izany ny CNaPS Sport fa “Demi Tour” dia nihintsana.

Ny  ekipan’ny Elgeco Plus tompon’ny amboaran’i Madagasikara kosa dia tafita hiatrika ny dingana manaraka amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika andiany faha-16 rehefa natambatra ny isa azony sy ny ekipa Gineana mandroso sy miverina (4-3) na dia resin’ny  Deportivo Unidad tany Malabo Guinée Equatoriale 2-1 aza izy omaly alarobia 05 desambra 2018.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT