Sport

Baolina Kitra Farany vao misy ventiny


  • Zoma 05 Mey 2023

Mitsipatsipaka sy manao izay tratra ny federasionan'ny baolina kitra tato ho ato. Vonjeny daholo aloha babay sy lohavohitra amin'izao na dia mbola mahazo kiana aza ry Victorien Andrianony

sy ny namany noho ny tsy fanendreny izay ho mpanazatra ny Barea A taorian'iny fametram-pialan'i Nicolas Dupuis.Ny lalao manaraka anefa amin'io volana jona miditra io. Mety matahotra manendry olona angamba ny FMF noho ny tsindritsindry politoka izay nisy hatrizay. Ny zava-misy aloha dia hiantso an'i Pep Guardiola aza efa tsy afaka isika .Ny mpanazatra voatendry eo koa dia ny lalao roa hihaonana amin'ny Angola sy Ghana ihany satria ho tapitra koa ny fotoana fiasanan'ireo mpikambana ao amin'ny komity mpanantanteraka izany .Ny mbola mety ahalany indray ny mpikambana sasany amin'izao fotoana no hany azo hanazavana ny hetsika marobe tontosain'ny FMF izao. May Ambondrona ha ka ny zavatra tokony batao hatramin'izay dia izao vao hiazakazahana. Eo ohatra ilay Amboara isam-paritra eo amin'ny latsaky ny 19 taona izay efa eo amin'ny dingana faharoa ary tontosaina any Mahajanga sy Ihosy. Tafakatra ao Mahajanga izay hihaona ny 6 ka hatramin'ny 10 mey izao Itasy, SAVA, Atsinanana ary Boeny. Any Ihosy indray no hihaona ny Atsimo Andrefana Atsimo Atsinanana, Anosy ary Vakinankaratra. Eo amin'ny fiadina ny Amboaran'i Madagasikara isan-tarika indray dia efa nifarana ny 3 mey teo ny fisoratana anarana izay sandainy 3 hetsy ariary. Tsy mbola mijanona eo ny ezaka satria efa eny Carion mifantina izay handrafitra ny ekipam-pirenena U20 ihany koa ary handray anjara amin'ny COSAFA Cup koa i Amada Aboudou. Ity farany ihany koa no miandraikitra ny U23 hiatrika ny Lalaon'ny Frankofonia. Tena mbola tsy nisy toy izao aloha raha ny sehatry ny baolina kitra fa dia asa izay havoakany. Sa ve efa isan'ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana ho avy koa izao fihetsiketsehina atao izao. Ny tsilion-tsofina mandeha no nahafantarana fa isan'ireo hirotsaka ho fiadiana ry Alfred Andriamanampisoa sy Tota Henintsoa Rakotoarimanana ary Jocelyn Razafimamonjy.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT