Sport

Baolina kitra fanomanana ny CAN 2019 Lavon’i Kosovo 1-0 ny Barean’i Madagasikara


  • Alatsinainy 26 Martsa 2018


 Lavon’ny ekipam-pirenen’i Kosovo 1-0 ny Barean’i Madagasikara ny sabotsy 24 martsa 2018 alina teo, tany Saint-Leu-La-Forêt any amin’ny  région Parisien any Frantsa teo amin’ny lalaom-pirahalahiana nifanaovan’ny 2 tonta ho fanomanan’ny ekipam-pirenena Malagasy ny CAN 2019 hotontosaina any Cameroun amin’ny taona 2019 ho avy io. Raha nanindry tanteraka ny Malagasy tamin’ny fizaram-potoana voalohany ary nahazo penality avy amin’i Voavy Paulin teo amin’ny minitra faha-34 dia tsy tafiditr’i Faneva Ima nandaka azy izany penality izany ary dia 0-0 no nisarahan’ny 2 tonta teo am-pialantsasatra. Nivadika kosa ny rasa teo amin’ny fidirana faharoa, indrindra vao nahatafiditra baolina teo amin’ny minitra faha-67 ry zareo Kosovar ka lasa izy ireo indray no nanindry hatramin’ny farany. Marihina fa mpilalao 4 be izao efa nilalao fahiny tao amin’ny Ajesaia no nalahatr’i Nicola Dupuis teo an-kianja dia i Mamy Gervais, Sedera, Bolida ary i Voavy Paulin tamin’ity fihaonana ity.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT