Sport

Baolina kitra eny amin’ny fokontany Natao hiarovana ireo tanora tsy hanaotao foana


  • Talata 02 Aprily 2019

Mba hiarovana ireo tanora eto amintsika tsy hidoroka mahadomelina na hirona amin’ny fangalarana rehefa tsy misy hatao dia nosokafana ny

 

 

 

 

faran’ny herinandro teo ilay hetsika ara-panatanjahantena M’ Foot fokontany U15 iarahana amin’ireo orinasa goavam-be maro isan-tsokajiny sy ny orinasam-pifandraisana Airtel. Nahatratra  138 isa ireo nisoratra anarana. Ny tanjon’ny mpikarakara dia ny hahafahana mitsirika ireo tanora tena manan-talenta afaka hiakatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ity lalao baolina kitra ity. Ny 30 sy ny 31 martsa lasa teo no notanterahina ny fifanintsanana andiany voalohany. Tanjon’ny fokontany sy ireo mpikarakara ny manome fialamboly feno  ireo tanora manerana ireo fokontany 192 ao anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ho fitsinjovana ny hoavin’izy ireo.

 

Pati

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT