Baolina kitra - Edmond Robert Nahoda

"Tokony hotazonina i Roro Rakotondrabe"


  • Alakamisy 14 Septambra 2023

Mpilalao taloha nila ravinahitra any Seychelles i Edmond Robert na i Nahoda no nahafantaran'ny maro azy.

Vodilaharan'ny FC BFV tena tsy nitsitsy ary izay fomba fiady izay no heveriny ho lesoka eo amin'ireo Barea raha tafaresaka taminay izy.
Tia Tanindrazana ; Ahoana ny fahitanao an'i Roro Rakotondrabe ? Voafehiny ve ny andraikitra maha mpanazatra azy hitazona ny Barea ?
Nahoda : "Tsara ny zavatra nasehony ary tena nisongadina izany tamin'ny fihaonana nanoloana an'i Comores. Amiko dia tokony tazomina izy ho mpanazatra ny Barea A. Ny vokatra rahateo miteny ho azy satria tsy resy mihintsy izy tamin'ireo lalao enina nataon'i Barea."
TT : Na izany aza inona no heverinao ho lesoka ?
Nahoda :" Tsy mahasahy miditra mafy ireo vodilaharana ary saika ratsy izany raha nihaona tamin'ny Maorisy izay nentin'i Fidy Rasoanaivo izay niara nilalao taminay sy Roro tao amin'ny FC BFV. Mitovy mantsy ny zavatra nianarana tamin'i Raglady (Claude Ravelomanantsoa) fa eo amin'ny fampitana izany eo amin'ny mpilalao no maha samihafa azy.
Tia Tanindrazana : Inona kosa ny tombony ho an'ireo mpilalao ?
Nahoda ; " Ireo mpiandry tsatokazo aloha no hitako tena tsara. I Nina sady lava no matanjaka ary i Adrien Melvin koa anefa tsy ratsy.Na i Fabrice aza mahay saingy sahirana ihany izy fa fohy ka atahorana ny baolina ambony.Manana tombony ny Barea manana an'i Rayan Raveloson. Tsy amin'ny maha namako an'i Pierre Kely rainy fa mahay izy ary tokony ho Ligue 1 aza fa nidina Ligue 2 io i AJ Auxerre.Tokony mbola mitrandraka mpilalao ihany i Roro fa mbola tsy ampy ireo raha mieritreritra hanao CAN. Mila olona mamono baolina fa vao miditra mafy ny mpifanandrina dia sahirana ary hita izany raha nihaona tamin'i Maorisy sy La Reunion, Tamin'ity farany aza dia fantatra ny tetik'i Jean Pierre Bade fa hamono baolina voalohany dia avy eo miaro-tena saingy tsy nandaitra izany. Amiko aloha raha hanome naoty ny Barea dia 18/20." Nangonin'i Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT