Sport

Baolina kitra D-1 tompondakan’Amoron’i Mania Hiditra amin’ny dingana faharoa ny fifaninanana


  • Alakamisy 26 Aprily 2018

Vita soa amantsara, hoy ny filohany Randriantsoaniaina Nirilanto na Dona, ny dingana voalohany tamin’ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ny baolina kitra any Amoron’i Mania.

Nahitam-bokatra ny fanavaozana nentin’ny ligy tamin’ity fifaninanana ity satria dia nahita lalaon’ny sokajy D-1 daholo ny faritra rehetra ao anatin’ny ligy. Hiditra amin’ny dingana faha-2 ity fifaninanana ity ny 6-27 mey 2018 ka mbola handray fifaninanana daholo ireo seksiona 3 mandrafitra azy fa izay no politikam-pampandrosoana ny baolina kitra any amin’ny ligin’Amoron’i Mania. 6 ireo ekipa handray anjara  ka ao amin’ny vondrona A ny Fc Az Andraimasina, AI 200 Ambositra, Fc Cristal Ambatofinandrahana. Ao amin’ny vondrona B kosa ny Rc Raxa Sahamadio, Fc Paramed Ambositra ary ny Fc Bemaha Soavina Ambondromisotra. Hisy lalao any Fandriana ny 6-13 mey.

Ny 20 mey no hanaovana an’ireo ankatoky ny famaranana any amin’ny renivohi-paritra any Ambositra ary amin’ny 27 mey kosa ny famaranana no hatao ka ahafantarana izay hisolotena an’Amoron’i Mania amin’ny tompondaka nasionaly 2018.

Maro ireo ekipa any an-toerana no handray anjara amin’ny Telma Coupe de Madagascar fa Fandriana hanana 3, Ambositra 2, Ambatofinandrahana 2. Hezahina koa ny hananan’i Manandriana solontena amin’izany.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT