Sport

Baolina kitra – « Coupe de la Confédération de la CAF » Efa miomana fatratra ny Cnaps Sport Itasy


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

Na dia tsy hiatrika ny dingana savaranonandon’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona Afrikanina toy ny ekipan’ny Salitas (Burkina Faso), Hassania Agadir (Maroc), Djoliba (Mali),

 

Enugu Rangers (Nigeria), Sc Sfaxien (Tunisie), Zanaco (Zambie), Ekipa tompon’ny amboaran’i Egypte, Rs Berkane (Maroc), Fc San Pédro (Côte d’Ivoire) ary nyBidvest Wits (Afrique du Sud) ary ny ekipan’ny Cnaps Sport  (Madagascar) dia efa tena miomana fatratra hifanandrina amin’izay mandresy amin’ny ekipan’ny St Louis Suns United (Seychelles) sy ny ekipan’ny Ts Galaxy Fc (Afrique de Sud) amin’ny dingana savaranonando hotontosaina amin’ny 9-11 aogositra sy ny 23-25 aogositra 2019 ho avy izao. Omaly alarobia 24 jolay 2019 dia tazana tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina izy ireo nanao lalao ara-pirahalahiana 3 x 30 mn tamin’ny ekipan’ny Mama Fc Analamanga ka nisaraka tsy nisy naratra 0-0 ny roa tonta. Nomarihan’i Tipeh mpanazatra fa fanirian’ny ekipa ny hanao fanomanantena any amin’ny Faritra maromaro eto Madagasikara nefa ho hita miandalana eo ihany ny amin’izay. Hatreto aloha, tsy miaraka amin’ny ekipa fa mbola voatazona miaraka amin’ny Barea Chan 2020 hifandona amin’i Mozambika etsy Mahamasina amin’ny alahady ho avy izao ry Leda sy Toby sy Lalaina ary Arnaud sy Mialy izay lohalaharana avy any Ambositra  vao nalain’ny ekipa. Efa niaraka tamin’ireo namany kosa anefa omaly alarobia i Anicet  lohalarana vaovao avy any amin’ny Jsa Ihosy nifindra ao amin’ny Cnaps ihany koa.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT