Sport

Baolina kitra "Coupe d'Afrique" Tafita amin'ny dingana manaraka ny Fosa Juniors


  • Alakamisy 22 Febroary 2018

Tafita amin'ny dingana manaraka amin'ny fiadiana ny amboaran'i Afrika eo amin'ny lalao baolina kitra ny ekipa solontena Malagasy Fosa Juniors Boeny rehefa nirava ady sahala 0-0 tamin'ny Léopard Kenianina tao amin'ny kianja Rabemananjara Mahajanga omaly alarobia 21 febroary 2018 teo amin'ny lalao miverin'ny fifaninanana savaranonando amin'ity fifaninanana ity.


  Ampy nahatafita ny ekipa Malagasy izay hikatroka amin'ny Aspl 2000 Maorisianina amin'ny lalao 1/32-ndalana io 0-0 io satria ady sahala 1-1 ny lalao mandroso notanterahina tany Kenya herinandro lasa izay. Nidorehitra loko vonimboasary ny kianjan-dRabemananjara Mahajanga omaly alarobia satria nisy ny fizarana Tee-shirts Fosa Juniors maimaimpoana niisa 1000 tany ho any teo am-pidirana ny kianja. Feno hipoka tanteraka (à guichet fermé) ihany koa ity kianja ity na dia andro andavanandro aza no nanatanterahana ny fihaonana satria nisy ny fanambarana navoakan'ny prefen'i Mahajanga fa natao andro tsy fiasana nefa handraisan-karama omaly alarobia hariva 21 febroary tany Mahajanga.

 Ntsoavina Evariste (Iraka manokana tany Mahajanga)


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT