Sport

Baolina kitra – Comité de Normalisation Nohalavain’ny FIFA ny fotoam-piasany


  • Talata 14 Mey 2019

Mbola hanohy ny asan’izy ireo Rtoa Atallah Beatrice sy ny ekipany satria hohalavaina hatramin'ny septambra izao ny fotoam-piasan'ny komity vonjimaika natsangana hitantana ny federasiona malagasin'ny baolina kitra (Comité de normalisation).

 

 

 

Ny federasion'ny baolina kitra maneran-tany (FIFA) no nanapaka izany tamin'ny zoma teo rehefa avy naka ny hevitry ny kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra (CAF). Hisy iraka manokana avy any amin'ny FIFA ho avy eto amin'ny 17 mey izao ka eo vao horesahana ny daty sy ny fomba hanatanterahana ny fifidianana ny filohan’ny federasionina ao anatin’io fe-potoana mbola iasan’ny Comité de normalisation io. Hanatanteraka ny fifidianana filohan’ny ligy any Tsiroanomandidy sy Bongolava izay tsy vita noho ny savorovoro ihany koa ny “Comité de normalisation” ary hametraka ny fitsipika araka ny lalàna mba hisorohana ny savorovoro rehefa atao ny fifidianana. Ny volana novambra 2018 moa no efa tokony ho notanterahana ny fifidianana ny filohan’ny FMF sy ny fanavaozana ny birao saingy izao mihemotra efa ho herintaona izao noho ny savorovoro.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT