Baolina Kitra Coca cola PFL

Tsara toerana ny Disciples sy Elgeco


  • Talata 21 Mey 2024

Plus Notanterahina ny faran'ny herinandro teo ny ampahaefa-dalana mandroson’ny Coca Cola PFL.

Somary niova kely ny anarana taorianan'ny fifanarahana teo amin'ny PFL sy Habibo Group izay manjifa ny Coca Cola. Mety ahatsara zavatra ihany izany raha toa ka mba misy entina hanohanana ny ekipa tompondaka ho any Afrika ny vokatry ny fifanaraha fa tsy mijanona ho an'ny mpikarakara. Mpikarakara izay sahirana ihany taorinan'ny nandavan'ny 3FB handray ny ASA Nosy Be eto Antananarivo. Mety tsy manaraka ny fitsipika mifehy ny lalao tokoa izany saingy toa adinon'ny 3FB fa vokatry ny sazy nomena azy anie no nahatonga io lalao eto Antananarivo io sady tsy mahazo asiana olona.Sazy izay noho ny fitarainana avy amin'ny Zanakala sy Dato satria ity farany aza dia notehafan'ny filohan'ny ligy tehamaina ny mpanazatra azy. Fanao izany mampihatra sazy sy tsy azo asiana olona izany rehefa misy mihoatra fefy ka tokony hanaiky izany ny rehetra. Notontosaina kosa ireo lalao telo ambiny ka nisongandina amin'izany ny vitan'ny Disciples sy Elgeco Plus izay samy nandresy an-tanin'olona. Asa izay nahazo an'ny Fosa Juniors fa dia nalain'ny Elgeco Plus baraka 2 noho 0 tao an-tanana izy ary teo anatrehan'ireo mpanohana marobe nameno ny Kianja Rabemananjara.Andro ratsy ho an'ny baolina kitra any Mahajanga iny satria fia mbola resin'ny Disciples 3 noho 1 ihany koa ny Tsaramandroso. Mando no nanokatra ny isa ary Ando no nampiditra ny baolina roa. Mbola tsara koa no vitan'ny Zanakala tany Ampasambazaha raha nanilika ny Fanalamanga 3 noho 1 izy ireo. Nampiditra baolina roa ihany koa ilay lohalaharana Fabrice raha i Parex no nahafaty ny baolina fahatelo. Ho sarotra ho an'i Tsalo sy Elefoni ary Besna ny lalao miverina satria tena tsara fiarovantena ny Zanakala misy an'i Rado sy Avizara izay samy Fosa taloha. Mbola eo ampovoany koa anefa i Naina izay CFFA taloha ary efa nantsoin'i Eric Rabesandratana tao amin'ny Barea. Asa anefa fa ny baolina boribory ary ny mpitsara koa mahay raha...
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT