Baolina kitra-CHAN

Mbola manana fotoana hanomanana ny Barea


  • Talata 19 Septambra 2023

Tsy manao ny dingana voalohany ny Barea CHAN noho ilay laharana fahatelo tany Alzeria fatany teo.

Any amin'ny dingana faharoa ny volana desambra izany vao miatrika ady indray ireo miaramilantsika. Manana fotoana izany izay ho mpanazatra ho avy eo fa raha ny feonlny be sy ny maro aloha hatreto dia mbola Roro Rakotondrabe no tokony hitantana mba ho fitohizan'ny asa. Ny olana kely anefa dia tsy maintsy mananamboatra indray satria dia lasa atsy La Réunion ireo heverina fa manana ny toerany raha tsy hiteny afatsy Berajo ( Saint Denis) sy Rojo Be (Saint Paul) ary Tsito (Tampon). Ny any aoriana izany no tena manahirana satria raha lalao mihaona amin'ny Afrikanina no resaka dia ho sarotra ho an'i Tsalo (Fanalamanga) ihany izany hanolo an'i Berajo izany indrindra tena mbola baraingo ireo haka ny toerana satria na i Datsiry aza matoa tsy nijoro firy tamin'ny Lalaon'ny Nosy dia efa hafahafa ihany.Ny sisiny indray dia tsy maintsy hoe Dadafara (CFFA) sy Nicolas (Fosa) ary ny ao ampovoany raha hiaro-tena dia i Lalaina (CFFA) sy Andy ( Disciples) ary Donga ( Fosa).Ireo ho any aloha dia tsy misy afatsy i Tendry (Disciples) raha tsy efa lasan'olona indray. Eo koa anefa i Tsiry (Fosa) ary mety Rakool raha misy klioba mandray eto an-toerana izy satria mbola baraingo koa ny hoe tafaverina amin'ny heriny ve iza sa rodana dia izay no tsy nitazonan'ny Mouloudia azy.Tsy misy hoe tsy mpilalao gasy izany anefa ny Akzerianina matoa nijanona ela tao i Carolus Andriamahitsinoro sy Amada Ibrahim. Mety ho tsara ihany izany ny ekipa malagasy manao CHAN indrindra raha voahitsy ireo lesoka amin'i Nina mpiandry tsatokazo. Ahenona feo koa anefa ireo mpanohana Barea hoe tokony omena an'i Popaul na Tama ny fanomanana ireo mpiandry tsatokazo.Ary miditra amin'izay dia inoana fa tsy maintsy ho tafiditra ao koa i Fabrice Fosa izay kely fa dada...
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT