Sport

Baolina Kitra CHAN Efa matahotra i Sénégal


  • Talata 31 Janoary 2023

Anio hariva no holalavina ao Alger ny lalao manasa-dalana hihaonan'ny Barra sy ny Sénégal. Raha ara-tararasy

ambony latabatra aloha dia misy miteny fa lasan'ny Sénégal io saingy ambony kianja indrindra fa hitodiana ny nataon’ireo ekipa roa taty Alzeria dia tsy ampihambana no hilazana manatombo ny Malagasy. N'a tranokala serasera an'ny federasiona sonegaly aza dia manamarika fa tokony tena hitandrina ny Liona fa ekipa farany tsara hatramin’izao ireto Bateau ireto. Tsara fiarovan-tena manana mpanafika hikoahizana ary indrindra mamoaka rindran-dalao avo lenta hany ka ireo Alzerianina tompon-tany aza dia babo. Tsy hoe babo fotsiny fa narahina asa avy hatrany ary lasany ambongadiny hatramin'ny 2026 i Rakoul Koloina Razafindranaivo. Ny Union Sportive Mouloudia d'Alger izay ekipa nanombohan 'i Carolus Andriamahitsinoro ihany. Ara-tantara dia ry USMA ity ihany no resin'ny FC BFV nosy an'i Roro tamin'ny 1989. Eo amin'izany fifindrana Izzy dia ré koa Izao fa lasa atsy La Réunion koa i Rojo Be Ajesaia Ary hilalao ao St Paul izay ekipa nisy an-,dry Fred be sy Said. Tsy hijanona eo anefa ireo fividianana mpilalao fa Mbola isan'ny be mpanontany koa i Berajo sy Nina ary Lalaina sy Tsiry. Ny « englobant » rehetra raha tsorina Ary efa ampoizina ihany izany. Rehefa be mpanohana toy izao ny kitra malagasy dia test maintsy hisy vokatra tsara. Mandra mpiandry aloha dia aleo ny lalao anio amin'ny folo ora alina no hatrehina. Alefa zalahy a !
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT