Sport

Baolina kitra CHAN Ao tsara ary tena vonona ny Barea


  • Zoma 03 Febroary 2023

Ny handrombaka io laharana fahatelo io no tanjonay rehetra aty ary efa vonona daholo ireo mpilalao. Isany notenin'i Roro Rakotondrabe omaly io, raha tafaresaka taminay izy.

Raha lesoka ny fiarovana amin'ny ilany havia nisy an'i Naina Avizara dia niteny ny mpanazatra fa efa misy vahaolana. Tsy i Dadafara- aloha fa na efa mihatsara aza izy dia mbola misy tahotra kely. Ny zava-baovao rahalina dia ny fidiran'i Tony Elgeco Plus izay tena efa zatra miaraka amin'i Datsiry. I Berajo ve izany no mikisaka ? Sa lasa telo no vodilaharana dia lasa 3 -4-3 ny firafitry ny Barea A’. Miankina amin'i Roro irery ihany ny paikady sy ny fahaizany maka lesona. Raha tsiajivina.ny tantara dia efa nisaraka ady sahala 1 noho 1 ireto ekipa roa ireto tamin'ny fanomanan-tena tany Tonizia. Tsy mahatoky tena no fanafody fa amin'i Roro dia mahay ireto Niger ireto fa tsy arakaraka iny tataka be nanoloana ny Alzerianina iny. Ary izay no mbola mampirsika hampijoro ireo tompon-toerana toa an-dry Nina, Tantely, Datsiry Berajo, Rojo, Dax, Lalaina, Tsiry ary Jean Yves sy Rakoul. Mpilalao izay tena nahazo dera tamin'ny mpanazatra Mozambikanina izay tena niaky fa efa mahay ny Malagasy. Ary tsy izy irery fa ireo mpanao gazety avy amin'ny Canal Plus aza dia efa niandrandra ahita ny Barea any amin'ny famaranana. Alefa Barea !
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT