Sport

Baolina kitra – Champion’s league Malagasy Mahajanga sy Fianarantsoa no handray ny « Phase 2 »


  • Alakamisy 28 Septambra 2017

Hotontosaina any amin’ny kianja sentetika Alexis Rabemananjara any Mahajanga sy any amin’ny kianja sentetika Ampasambazaha Fianarantsoa hanomboka ny zoma 29 septambra 2017 izao ka tsy hifarana raha tsy ny alahady 8 oktobra 2017 ny “phase 2”

amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja baolina kitra na ny “Champion’s league Malagasy 2017”. Ekipa 6 avy isanisany no mivondrona ao amin’ireo toerana ireo ka ny 2 voalohany tafavoaka eo no hiatrika ny dingana “Poules des AS 2017”. Any Mahajanga dia misy ny Hzam Alaotra Mangoro, Cnaps Sport Itasy, Ussk DIANA, Varatraza Sofia ary ny Fc Maeva Betsiboka sy ny Ajesaia Bongolava. Any Fianarantsoa kosa indray dia ao ny Cosfa Analamanga II, Eleco Plus Analamanga I, Top Dom Amoron’i Mania, ny Zanakala Fc Matsiatra Ambony ary ny Fc Angèle Anosy sy ny Rts Jet Mada Itasy II.

 

Fandaharan-dalao andro voalohany 29 septambra 2017 :

 

Mahajanga : 11:00-Hzam # Ussk ; 13:00-Fc Maeva # Cnaps Sport ;  15:00-Ajesaia # Varatraza

Fianarantsoa : 11:00-Elgeco Plus # Top Dom ; 13:00-Zanak’ala Fc # Cosfa ; Rts Jet Mada # Fc Angele

 

Ntsoavina Evariste

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT