Sport

Baolina kitra Champions League Afrikanina Resin’ny Fosa Juniors Elite 1-0 ny Pamplemousses Maorisianina


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2019

Iray no ho aotra (1-0) tamin’ny alalan’ny penality matin’i Baggio kapiteny teo amin’ny minitra faha-35 no nandresen’ny ekipa Malagasin’ny Fosa Juniors Elite ny ekipan’ny Pamplemousses

 

Maorisianina tao amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga tamin’ny sabotsy 10 aogositra tolakandro teo, eo amin’ny lalao saravaranonando mandroson’ny Champions League Afrikanina 2019/2020. Tsy ampy tena handrefesana ny fizotry ny lalao tamin’ny ankapobeny io isa tokana azon’ny Fosa io satria nanao fanafihana totoafo hatramin’ny farany ny ekipa Malagasy fa nahatratra 9 be izao ny “corners” azony nandritra ny lalao iray manontolo raha 3 monja ny an-dry zareo Maorisianina izay nihanona tamin’ny fiarovan-tena tamin’ny ankapobeny fa saika ny mpilalao 10 tamin’izy ireo dia nanamafy ny vodilaharana avokoa. Tsy latsaky ny baolina 6 be izao no tokony ho matin’ny Malagasy tamin’ny ankapobeny fa nitongilana tany amin’Jean Louis mpiandry harato Maorisianina hatrany ny vintana. Antenaina fa hiova ary hahatafiditra baolina maro isika any Maorisy, hoy ny mpanazatra ny Fosa Titi Rasoanaivo any amin’ny lalao miverina rehefa hiova tsy maintsy hanao fanafihana amin’izay ny mpilalaon’ny Pamplemousses.  Nanomboka tamin’ny CAN 2019 izany izao dia efa miova ny fiteny eo amin’ity baolina kitra Afrikanina ity ka manjary hoe : “Zakan’ny Afrikanina tsara ny mpilalao Malagasy”.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT