Sport

Baolina kitra- CAN 2023 Resy 3 noho 0 ny Barea !


  • Zoma 24 Martsa 2023

Afa-baraka. Endrika tezitra no hita teny Mahamasina taorian'ny naharesy ny Barea 3 noho 0 omaly alakamisy.

Ary na dia tsy tany amin'ireo mpilalao loatra aza ny tsiny dia ny teo am-bavan'ny maro dia ny hoe esory i Dupuis.Saika nifatratra amin'ity vazaha ity daholo ny rihitra noho ny fanaovana an-tandrevaka tamin'ny fifidianana ireo hajoro voalohany amin'izany ny nampijoroany an'i Hakim Abdallah izay teny tsy nisy atokona. Any Virton, klioba ao amin'ny diviziona faharoa any Belzika koa ve moa ho hita antenaina. Fa ny tena mahazendana dia mbola niantsoana an'i Jeremy Morel izay sady efa 39 taona no mbola milalao any amin'ny National 3 any Montagnarde izany hoe diviziona fahadimy. Isika anefa nanana an'i Berajo saingy tsy niditra mihitsy ilay gonan'Amparafa. Vokany ny baolina matin'ny Centrafrique dia hadisoana tao amin' i Morel izay nijery fotsiny ilay mpanafika nanao tolotra teo amin'ny fandakana penalty. Voadona an'i Nina ihany ilay daka saingy lasa tao amin'ny mpilalaon'i Centrafrique tsy nisy nanembatsembana ka maty.
DISO SAFIDY ?
Dia mbola miverina amin'ny safidin'i Dupuis indray ny resaka satria vodilaharana tao koa i Kenji Van Boto izay mpilalao manafana seza any Auxerre. Mbola misy resaka ihany koa ny kapiteny Ibrahim Amada izay tena mavesatra. Nosoloina an'i Dax moa ity farany ka nomeny an'i Njiva indray ny famantarana ny kapiteny. Efa fanina koa angamba i Dupuis taorian'iny baolina roa matin'ny Centrafrique (44’ sy 72’) ka nosoloina an'i Zotsara indray koa i Njiva izay tsy nahatsindry fo ka natsipiny tamin'ny tany ilay fehin-damba. Nanolo olona dimy i Nicolas Dupuis izay tsy tena fahita saingy manaporofo fa diso ny safidy tany am-boalohany. Nesorina aloha i Tsiry ka tezitra i Mahamasina satria dia i Julio Donisa milalao any Romania no nasolo azy Nivoaka koa i Hakim Abdallah ka faly ny olona sady Rakool rahateo no nasolo azy. Nivoaka koa i Amada dia niditra i Dax ary farany dia i Datsiry mihitsy no nesorina hampidirana an'i Jean Yves. Raha tsorina dia tena tsy voafehin'i Nicolas Dupuis intsony ny raharaha ka tsara ho azy ny miala dieny izao Rayan Raveloson, Loic Lapoussin ary Sylvio Ouassero ihany mantsy hatreto no mandresy lahatra. Ny sisa dia tokony omena ireo toto-tanana Maninona koa anefa raha omena an'i Roro ny baolina anaovany azy.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT