Sport

Baolina Kitra - CAN 2023 Efa tonga ao amin'ny Ibis ny mpilalao


  • Talata 21 Martsa 2023

Raikitra e. Efa vonona ny Barea ary efa tonga ny ankamaroan'ireo mpilalao ka namonjy ny hotely Ibis etsy Ankorondrano. Misy aza ireo avy lavitra no efa nanao fanazaran-tena tetsy amin'ny kianja kely tetsy Mahamasina.

Isan'ny tonga voalohany ireo zoky olona tany amin'ny CAN 2019 nahitana an’i Ibrahim Amada ary Melvin Adrien. Miavaka amin'ny rehetra ity farany ity satria dia izy irery no miakanjo Pumas izay inoana fa mpanohana azy. Ny tsy fantatra dia ny ny hoe ohatrinona no azon'ny FMF amin'io satria raha ny lalana dia tsy maintsy apetraka ho fantatry ny CAF ny fifanarahana ara-barotra toy izao. Raha bahatadidy isika dia voasazy handoa volabe ny federasiona noho i Nicolas Dupuis nisalotra ny loko Telma tany Egypta . Asa aloha izay ho tohiny fa tompo-baolina raha ity Melvin Adrien ity ary mety hijoro mihintsy aza ny alakamisy izao amin'ny fihaonana amin'ny Centrafrique amin'ny 4 ora izany hoe mety lalao anaty orana fa izay moa no safidy. Ny vaovao farany no nahafantarana fa tsy ho avy i Marco Ilaimaharitra izay isan'ireo vitsy an'isa mba milalao ao amin'ny diviziona voalohany ao Belzika. Ankoatra aza mantsy dia tsy azo ariana koa i Loïc Lapoussin izao ao amin'ny Union Saint Gilloise any Bekzika ary mbola mandray anjara amin'iny Ligy Eoropa. I Rayan Raveloson sy Boto samy Auxerre no hany diviziona voalohany azo alahatra eny fa na dia mpanafana seza aza ity farany. Raha izay no fipetrany dia mety ho Ando Manoelantsoa no ho solon'Ilamaharitra ary ireo toto-tanana no hamenoany isa toa an'i Nina, Berajo, Dadafara, Datsiry. Tantely Rakool, Dax ary ny iray amin'i Jean Yves sy Tsiry. Vakiana fotsiny mantsy raha Ingahy Nicolas Dupuis fa hirona any amin'i Hakim Abdallah izy ataony lohany. Loza...
Legende : Melvin Adrien sy Ibrahim Amada no tonga voalohany avy lavitra
Clément RABARY


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT