Sport

Baolina kitra - CAN 2023 Any amin’i Dupuis indray izao ny maso


  • Talata 07 Febroary 2023

Nahavita nihoatra ny fanamby nataony iny ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra tsy niantsoana mpila ravinahitra na ireo Barea nanao CHAN, Romuald Rakotondrabe na Rôrô.

Ny ho tafavoaka tao anatin’ny vondrona nifaninana no tanjonay, hoy ny tenany tamin’ireny fotoana ireny, kinanjo moa iny tody tany amin’ny manasa-dalana ary nahazo ny laharana faha 3 iny mihitsy nefa sambany nandray anjara tamin’izany tompondakan’I Afrika na CHAN izany. Any amin’ny mpanazatra ireo Barea mahazo miantso mpila ravinahitra dia ingahy Nicolas Dupuis indray izany izao ny mason’ny mpitia baolina kitra malagasy sy ny mpanohana ny ekipam-pirenena, eny, ny firenena malagasy manontolo mihitsy. Mbola ao anatin'ny fifanintsanana iadiana ny amboaran’I Afrika na CAN hatrany izao ry Ibrahim Amada sy ny ekipany ary hiatrika lalao in-droa miantoana amin'io volana martsa hoavy io. Samy ho atao eto Madagasikara raha tsy misy ny fiovana ny lalao mandroso sy miverina hifandonana amin’ny ekipam-pirenen’i Centrafrique. Efa nahavita lalao miisa 2 isika ka ny iray faharesena 0 noho 3 be izao nanoloana an-drizareo ganeanina. Ny lalao faharoa sahala 1 noho 1 nanoloana an-drizareo angolay. Laharana faha 4 farany amin'ny isa tokana izany izao no misy antsika ao amin'ny vondrona E izay hifaninanana amin’ireo ekipa miisa 3 voalaza teo ireo. Heverina fa mbola manana herijika tsara isika hampitsimbadika izay laharana izay satria roa isa-bondrona no hiatrika ny CAN 2023 lalaovina amin'ny janoary 2024 any Côte d'ivoire. Miandry lalao fitsapana mafimafy ny mpankafy ka dia asa indray izay ho afitsok’ingahy Nicolas Dupuis.
Légende : Romuald Rakotondrabe sy Nicolas Dupuis
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT