Sport

Baolina kitra CAN 2019 Afa-bela ny ekipam-pirenen’i Soudan


  • Alatsinainy 19 Novambra 2018

Afa-bela omaly alahady 18 novambra tetsy amin’ny kianjan’ny Cnaps Vontovorona ny ekipam-pirenen’i Soudan eo amin’ny taranja baolina kitra fa nandavo an’ny Barea Malagasy 3-1 an-taniny toy ny nahazo azy tamin’ny 9 jona 2017 tany an-taniny.

 

 

 Baolina matin’i Mohamed Musa n°12 teo amin’ny minitra faha-2 sy matin’i Abdallatif Saeed n°4 teo amin’ny 61 minitra ary matin’i Yasir  Mozamil n°9 teo amin’ny minitra faha-85 no niantoka ny fandresen-dry zareo Sodaney. Baolina matin’Andriamanitsinoro Carolus teo amin’ny minitra faha-76 kosa no nahazoan’ny Barea ny isa tokana tafidiny tamin’ity lalao ity. Raha atao bango tokana ny fandehan’ny lalao dia nanindry sy nibodo ny tanin’ny Sodaney hatramin’ny farany ny Barea nefa dia tonga tamin’ilay tenin’ny vazaha manao hoe nanao « domination stérile » noho ny naha tao amin’ny androny ny mpiandry haraton’i Soudan dia Yonis Altayeb fa  nahatohana baolina nodakan’ny mpilalao Malagasy efa azo ambara fa tokony hiditra ho azy tsy latsaky ny 5 tany ho any dia ny 2 nodakan’i Njiva, 2 nodakan’i Bolida, 1 avy nodakan’i Jeremy Morel sy Faneva Ima ary Voavy Paulin. Ny  baolina tamin’ny loha saika nampidirin’i Gros William kosa dia nidona tamin’ny tsatoby nambenan’i Yonis. Mbola mijanona laharana faha-2 hatrany ny Barea ankehitriny amin’ity fifaninanana ity manana isa 10 raha mbola i Sénégal kosa no mitana ny laharana voalohany manana isa 13 raha vao avy nandresy an’i Guinée Equatoriale 1-0 tany an-taniny tamin’ny sabotsy 17 novambra teo. Amin’ny 22 martsa 2019 ny lalao farany hihaonan’ny Barea amin’i Sénégal amin’ity fifaninanana ity.

Marihana fa anisan’ireo nanatrika ity lalao teny Vontovorona ity omaly alahady Atoa Marc Ravalomanana kandida ho filoham-pirenena Malagasy.

 

Ntsoavina Evariste

 

.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT