Baolina kitra - Barea

Tokony jerena araky ny fandrafetana ireo mpilalao


  • Talata 28 Novambra 2023

Maneho fahavononana hanatsarana ny Barea ny filoha vaovao ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa.

Tsy misy maharatsy izany ary maha te hidera aza ny ezaka saingy tokony mifampiresaka amin'ireo teknisiana ihany izy. Heno mantsy izao fa handeha handresy lahatra an'i Francis Coquelin (Villaréal) sy Rémy Vita (Sittard) izy. Raha i Francis Coquelin aloha dia tena ho tombony ao afovoan'ny kianja ny fiarahany amin'i Rayan Raveloson sy Marco Ilaimaritra. Fa raha Rémy Vita kosa indray dia efa manana an'i Kendji Van Boto sy Safidy Titouan ary Dadafara isika eo amin'ny vodilaharana ankavia io izay toerana misy an'i Vita. Ity farany moa dia tao amin'ny Troyes niaraka tamin'i Rayan Raveloson no nahitan'ny Bayern azy saingy mety tsy nahafampo dia naleony nampidramina aloha nefa nony farany dia navelany ihany. Ka raha hanova ihany tsy aleo ve mpilalao efa tena marin-toerana toa an'i Kendji Van Boto no hajoro. Raha ny filana izao ka hieritreritra hanao Mondial izany dia tokony Ludovic Ajorque milalao any Alemaina no hatao izay hanekeny. Tokony mijery mpiandry tsatokazo milalao any amin'ny klioba lehibe no kendrena satria i Melvin Adrien anie ka Thonon Gaillard no hilalaovany. Izany hoe diviziona fahaefatra any Frantsa. Raha tena mahay ve izy tsy mba efa lasa Ligy 2 farafaharatsiny. Asa aloha fa aleo mitandrona raha mieritreritra handeha lavitra. Ary eo amin'izay resaka izay dia tokony mba hametraka ny fotoana hilalaovan'ny moilalao tsirairay fa tsy toy ny taloha intsony hoe tsy manana klioba aza dia mbola nantsoin'i Nicolas Dupuis na koa mpilalao any amin'ny firenena tsy hita tabilao toa Romania na Luxembourg. Izay ilay tena avo lenta raha tsy te handiso fanantenanana ny Malagasy izay efa hampijalian'ny fidangan'ny vidim-piainana.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT