Sport

Baolina kitra - Barea Fantatra ireo hanao ny Lalaon'ny Nosy


  • Alakamisy 13 Jolay 2023

Ela fa nivoaka ihany ny lisitra navoakan'i Roro Rakotondrabe hofantenana ireo 23 farany hiatrika ny Lalaon'ny Nosy afaka 40 andro.

Naninona no mbola 30 ireo nantsoina ary naninona no mbola ve "vazaha". Izany no famontaniana napetrak'ireo mpanohana Barea marobe Saro-baliana ihany fa rehefa tenahalalinina dia misy tsy fahatokisan-tena avy amin'ny mpanazatra. Ho an'ny maro mantsy dia tsy tokony ovaina be ireo nanao manasa-dalana tany Alzeria satria fantatra fa matahotra an'ireo ireo mpifanandrina aminy indrindra ka mbola voatazona ny tanjaka sy ny herin-tsaina. Raha ilay lisitra mantsy dia mbola ao daholo ny 11 tompon-toerana tany amin'ny CHAN afatsy Rakool. Ny fanontaniana dia hoe : ho fenoin'ireo avy any ivelany ve ny toerana satria raha tsy hiteny afatsy ny irakiraka isika dia misy an'i El Haddary ,( Saint Michel United) sy Baggio ( Jeanne d' Arc) ary Rojo Be (Saint Pauloise) ary Ando Pro ( Saint Pierroise). Mbola ao koa i Angelo ( Excelsior) sy Theodin ( Sainte Suzanne). Ny eto an-tanana moa dia ny Fosa Juniors no tena betsaka satria ahitana an'i Fabrice, Nicolas, Andry Max, Tsiry, Mika, Veve ary Jean Yves. Efatra kosa ireo Elgeco na dia tsy tazana loatra aza tamin'ity taom-pilalaovany ity aza dia i Nina. Tony, Datsiry ary Jean Aimé. Telo koa ny avy ao amin'i Disciples satria ankoatra an'i Tantely sy Tendry dia nantsoina koa i Andy. Telo ny AS Fanalamanga ahitana an'i Tsalo, Rado ary Onja .Roa sisa ny CFFA ahitana an'i Dadafara sy Lalaina. Iray avy ny ambiny ka i Berajo (JET), Mahavy ( MAMA), Toky ( COSFA ary Feno (Ajesaia).
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT