Baolina kitra

Azo saziana kay ny mpitsara…


  • Zoma 19 Aprily 2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Nahazo karatra mena tsy lera mantsy i Araujo vodilaharan'ny FC Barcelone raha vao 27 minitra nilalaovany. Ary dia nanao izay danin'ny kibony ny PSG satria nilalao 11 noho 10 ary amin'izay indray i Araujo izay tena herin'ny fiarovan-tena no noesorina. Nisy zavatra tsy nazava izany tao dia iny no nahatonga ny FIFA hanasazy. Hay ve moa izany azo saziana ny mpitsara koa nahoana no nangina fotsiny ny CFEM raha nomen'ny mpitsara karatra mena i Rado izay vodilaharan'ny Zanakala raha nihaona tamin'ny 3FB. I Rado anefa tamin'io nieritreritra hametraka ny rindrina ary nohemotra ka nahavoadoana tsy nahy ny mpitsara izay tsy nisalasala namoaka ny karatra mena. Ary na tsy tombony hoan'ny 3FB aza okay izy dia ny Elgeco izay hihaonan'ny Zanakala manaraka tao Ampasambazaha no tena nahazo tombony. Mbola nisy resaka Elgeco koa anefa ny mpitsara anjorony izay avy any Antsirabe 2 raha nihaona tamin'ny Disciples FC teo amin'ny By Pass. Nisy baolina matin'ny Disciples nefa dia natsangan'ity iray fiaviana amin'ny filoha mpanorina ny Elgeco no mbola filohan'ny FMF, Alfred Randriamanampisoa. Mbola azo tondroina molotra koa ireo nitsara ny lalaon'ny 3FB sy Dato tao Andaboly saingy tsy nisy resaka mihintsy na ny FMF na ny CFEM saingy mandra-pahoviana. Dia ho gaga ve ianao raha i Dimby irery izay mpitsara anjorony vao misandratra no nofidian'ny CAF ho any amin'ny CAN tany Côte d'Ivoire teo. Isika anefa hatramin'izay dia nihevitra fa mafy be ry Andofetra Rakotoarijaona sy Abdoul Kanoso Ohabee hany ka lasa manontany tena hoe fa nisy inona ?
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT