Sport

Baolina kitra aty Afrika Fantaro ireo vaovao tsara ho tadidiana


  • Alakamisy 09 Janoary 2020

-Ny ekipam-pirenena Alzeriana no nandrombaka ny anaram-boninahitra "Meilleure équipe de l'année 2019" taty Afrika narahan’i Senegal sy Madagascar.

 


-Amin’ny faha-21 janoary ho avy izao no ho fantatra ireo ekipa hifanandrina amin’ny Barea amin’ny fifanintsanana dingana faha-2 aty Afrika hahazoana miatrika ny Mondial Qatar 2022.

-Efa naneho ny fahavonona handray anjara amin’ny CAN Futsal 2020 ho tanterahina any Laavone Maroc amin’ny 28 janoray ka hatramin’ny 7 febroray 2020 izao i  Madagascar.

-Ho tanterahina amin’ny faha-9 febroary 2020 ho avy izao kosa ny antsapaky ny 1/ 4-dalana asy 1/2-dalan’ny Ligue des champions sy Coupe de la CAF.

-Ny faha-14 febroary 2020 any Qatar no hanatanterahana ny Super Coupe de la CAF hifanandrinan’ny Esperance de Tunis sy  Zamalek.

-Ny faha-27 na faha-28 na faha-29 mars 2020 ny Barea Malagasy no hiditra an-tsehatra amin’ny fifanintsanana andro voalohany hahazoana miatrika ny Coupe du monde 2022.

-Ny andro faha-2 amin’io fifanintsanana hahazoana miatrika ny Mondial 2022 io kosa dia ho tanterahina amin’ny 5 na 6 na 7 jona 2020 ka mbola mandray anjara amin’izany ny Barea Malagasy.

-Ny  4 ka hatramin’ny 25 aprily 2020 i Cameroun no handray ny Fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (CHAN) 2020. Marihana fa nahintsan’i Namibie ny  Barea tamin’ity fifaninanana ity.

-Voafaritra ho amin’ny 24 mey 2020 no hanatanterahana ny lalao famaranana amin’ny « Coupe de la CAF » ary amin’ny faha-29 mey 2020 kosa ny famaranana ny « ligue des champions » Afrikana.

-Ny 22 jolay ka hatramin’ny 8 aogositra 2020 dia ekipa Afrikana lehilahy 4 no hifaninana ho any  Tokyo, sy any Egypte, any Côte d’Ivoire ary ho any Afrique Atsimo ary hifaninana ho any  Cameroun sy ho any  Zambie kosa ny vehivavy.

-Eo anelanelan’ny 31 aogositra sy ny 8 septambra 2020 no hanatanterahana ny andro faha-3 sy andro faha-4 amin’ny fifanintsanana hahazoana miatrika ny CAN 2021. Ny Elephants de la Côte d’Ivoire no hifanandrina amin’ny  Barea de Madagascar amin’ny faran’ny volana aogositra 2020 any Abidjan ary etsy  Mahamasina kosa herinandro aorian’izany.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT