Sport

Baolina Kitra Arovan'i Patrice Beaumelle i Rakool


  • Alakamisy 11 Mey 2023

Fantatra fa mbola tena tsy mahafa-po ny lalaon'i Koloina na Rakool ao amin'ny Mouloudia d'Alger.

Efa misy mihitsy ireo mpanohana no manenjika azy saingy hatreto aloha dia mbola arovan'ny mpanazatra ilay Frantsay Patrice Beaumelle izy "Manan-talenta izy ary hanampy azy be dia be ny fahatongavan'ny vadiny aty", hoy Ingahy Beaumelle ary mbola nampiany hoe"Tsy manana faharetana ireo mpijery fa izaho mino fa hiverina amin'ny heriny izy". Mety tafajanona any Alzeria ihany izany Rakool raha io fanehoan-kevitry ny mpanazatra io Ary rehefa alalinina dia mety ny fiovana azo lazaina ho mahery vaika niainany no niteraraka io somary fitavizavozana io satria niova tanteraka ny fiainany eny fa na dia ny sakafo hohaniny aza. Efa volabe no azon'ny tamin'ny saram-pifondrana fa mbola niampy ilay 50 tapitrisa ariary avy tamin'ilay prize money. Raha mijery tsy mizngatra izao Rakool dia tokony mijery ny Five FC nipoirana eny fa na dia Pasitera Julien koa aza.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT