Baolina kitra

Any Nosy Be i Malabary


  • Alakamisy 25 Aprily 2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Noraisain'i Anatole, filohan'ny ligy teny amin'ny seranam-piaramanodina ity kintan'ny baolina kitra izay niaraka tamin'ny vady aman-janany. Marina fa tonga hiala sasatra i Malabary fa tsy manakana azy hizara traikefa izany.Efa mpilalao tao amin'ny Sotema ary nandalo kely tao amin'ny Léopards Saint André tatsy La Réunion mialohan'ny nilalaovany an-taona maro tao amin'ny Racing club de Lens. Efa nanazatra ny Club M koa i Malabary ary efa talen'ny toetam-piofanan'ity klioba ity. Tena voky traikefa raha i Malabary ary mety to teny ihany koa eo anatrehan'ny mpilalao malagasy mila ravinahitra any Eoropa. Misy resaka mandeha koa aza fa raha hanolo an'i Roro Rakotondrabe ihany aza tsy aleo ve miantso an'i Malabary.Ny mety ho olana kely dia eo amin'ny karama satria ho sarotra amin'ny Federasiona ny mandoa vola mihoatra ny azony any Lens. Sa angaha dia hoe fitiavana ny tanindrazana.
Clément RABARY 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT