Baolina kitra

Any Maorisy no handray ny lalao ny Disciples sy Elgeco


  • Alatsinainy 22 Jolay 2024

Fantatra izao fa nisafidy ny kianja any Côte d'Or atsy Maorisy handraisana ireo laiao afrikanina ny Disciples FC sy ny Elgeco Plus.

Safidy izay efa nampoizina ihany satria io no akaiky indrindra mba tsy dia handaniana vola be. Tombony manokana koa anefa ny fisian'ireo Malagasy maro any an-toerana. Farany dia mba tsy dia lafo na ny sakafo na ny hofan-trano. Mety no azo amehezana izany. Ny lalao mandroso moa dia ny 16 ka hatramin'ny 18 aogositra ary herinandro aty aoriana ny lalao miverina. Mbola manatombo koa anefa ny Disciples izay hanafika any Afrika Atsimo amin'ny fihaonany amin'ny Orlando Pirates satria mbola moramora ny saran-dalana raha mihoatra amin'ny an'ny Elgeco Plus izay mamakivaky ny kontinenta afrikanina izao vao tonga any Luanda misy ny Clube Desportivo Lunda Sul.
Ny fantatra koa dia hanainga mialoha ho any Maorisy ny Disciples mba ahazoan'ireo mpilalao mizatra ny toetr’andro sy ny kianja koa satria tsy ny Maorisianina mihintsy no hisakana an'izany. Mbola to-teny any koa anefa i Fidy Rasoanaivo izay mpanazatra ny Club M maorisianina teo aloha ka afaka mandamina ny zavatra rehetra hatramin'ny mety hanaovana lalao ara-pirahalahina hitadiavana vola aza. Tsy mora mantsy ny lany amin'izao lalao izao indrindra ho an'ny Elgeco Plus handeha ho any Angola. Teo amin'io toerana io tokoa mantsy ny CFFA no nitsoaka an-daharana. Enga mba tsy ho izay no hiseho. Ny andrasan'ny maro izao dia ny ahafantatra hoe nisy mpilalao vaovao ve nantsoina na ho an'ny Disciples na ho an'ny Elgeco Plus. Fomba fanao izany ary misy tena lasa mpilalao raikitra avy eo toa an'i Feno an'ny Ajesaia.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT